Fandaharana Miaramanonja – Hitohy ny alatsinainy 15 martsa ho avy izao

Helisoa

Marobe ny olompirenena mametraka fanontaniana mikasika ny fandaharana MIARAMANONJA hoe, nijanona ve sa misy olana indray no toa tsy mandeha ity fandaharana be mpanaraka ity nandritra ny 2 andro izay?

Nanazava ny depiote Hanitra Razafimanantsoa tao amin’ny pejy fesibokiny fa miato noho ny asa fanatsaràna ny fifandraisana eo amin’ny mpiahino sy mpijery ny tambazotran-tserasera ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao.

Manome fotoana ny mpanaraka ny fandaharana kosa ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa fa ny alatsinainy 15 martsa ho avy izao dia hitohy indray ny MIARAMANONJA.