Vondron’ireo Malagasy any Amerika – Nitory ny fitondrana Rajoelina any amin’ny ONU

Nangonin’i Stefa

Nanao antso fanairana ireo Malagasy mpiray tanindrazana monina any New York any Etazonia, ho an’ny Firenena Mikambana (ONU) sy ny Amerikana, manoloana ny antsojay mihàtra amin’ny MIARA-MANONJA sy ny RMDM.

Ny COLLECTIF POUR LA DÉMOCRATIE à MADAGASCAR MIARA-MANONJA, sy vondron’ny mpanohitra RMDM : fanairana momba ny didy jadona mihàtra aty Madagasikara.

Miantso ny Firenena Mikambana, indrindra fa ny Amerikana, mba hanameloka ny antsojay ataon’ny mpitondra Malagasy amin’ny vahoakany.

Ireto avy izany karazana antsojay izany :
. Fanakanan’ny mpitandro filaminana ny fahafahana niditra sy nivoaka an’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina tamin’ny 6 febroary 2021.
. Fanakanana ny fahafahana mifandray amin’ireo faritra manodidina.
. Fanidiana ny Kianjan’ny demokrasia, sy fandefasana fiara mifono vy (blindés) teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey.
. Fandikana ny Lalampanorenana tamin’ny fanakanana ny fahafahan’ireo olom-boafidy niresaka mivantana tamin’ny vahoaka, noho ny tahotra sao afaka mitarika ny vahoaka hanohitra ny fitondrana ireo solombavambahoaka ireo.
. Fampidirana am-ponja olona naneho ny fanohanany ny hetsika tamin’ny fanaovana Polo misy soratra MIARA-MANONJA. Nisy ihany koa ireo nanao akanjo mena fotsiny tsy nisy soratra akory. Amin’izao fotoana anoratana izao dia mbola any am-ponja izy ireo.

Manoratra izao taratasy izao izahay, hoy ny fanambarana, ho fanohanana ny MIARA-MANONJA, sy ny vondron’ny mpanohitra RMDM amin’ny maha-Malagasy anay. Manao antso avo izahay noho ny tsy rariny, sy ho fampahafantarana izany antsojay izany amin’ny fikambanana iraisam-pirenena miaro ny zonolombelona, sy ireo Firenena miady ho an’ny fanajana ny fahafahana sy ny demokrasia, hoy ny solontenan’ireo Malagasy monina any Amerika.