Raha tena madio fo ny Filoha Rajoelina – Avotsory ary ireo gadra politika

Andry Tsiavalona

Azo lazaina fa kihon-dàlana eo amin’ny tantaran’ny Firenena indray ireo tranga ny sabotsy 6 Martsa 2021 lasa teo. Nisy ny fifaninanana nampisehoan’ny mpitondra andaniny sy ny mpanohitra ankilany ny fahaizana mandresy lahatra ireo mpanaradia azy. Ny an’ny mpitondra dia toerana telo no nanaovany hetsika, fa ny iray tena nasongadin’ny mpiserasera dia ny tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena (Palais des Sports) Mahamasina. Nanaitra ny mpanara-maso ny fiainam-pirenena tamin’izany ny fitsimbadihana 180° (revirement à 180°) ny fiainana ara-pinoan’ny filohan’ny Repoblika.

Tsiahivina fa tamin’ny fotoana nanaovany fianihanana teo Mahamasina, izay toerana Masina tokoa teo amin’ny tantaram-pirenena, dia tsy nanaiky ny nanaovany izany tamin’ny fametrahana tànana teo ambony Baiboly izy, satria tsy misy ifandraisan’ny Baiboly sy ny politika, hono. Tsiahivina ihany koa fa teny ao amin’ny Baiboly ny filamatra nentiny tamin’ny fampielezan-kevitra dia ny hoe :« Fitiavana no lehibe indrindra ». Nifanaraka tamin’ny loko nisafidiany (lokon-doranjy), izay lokon’ny revolisiona izay midika fanasokajiana ny Fivavahana ho zava-mahadomelina handemen-tsaina toy izay nitranga tany amin’ireo firenena kaominista tamin’izany. Nitsimbadika ihany koa ny lokon’ny fitafiana ho an’ny mpitondra sy ny mpanaradia azy ny sabotsy lasa teo satria nivadika ho « fotsy » ny « lôranjy ». Marihana anefa fa fanehoana tranga roa samy hafa ny loko fotsy: ny iray maneho « fahadiovana » ary ny faharoa dia manambara « faharesena ». Raha nasaina nitafy akanjo fotsy ireo nanatrika ny « Hiram-piderana » tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena, Mahamasina, dia midika fa nalemy ary resin’ny asan’ny maizina izy ireo nandritra izay enina ambiroapolo volana izay, ka mendrika ny hitafy ny « fotsy fahadiovana ». Toa manamafy izany ny fandoalihana izay fanehoana fibebahana amin’ny ota sy ratsy natao ary ny fanambarana ny fampanjakana ny « fahalemana » (paix), sy ny « fampihavanana » (réconciliation). Toa fisehoana ivelany sy ady an-tserasera (guerre de communication) ihany anefa ireo fihetsika tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena ireo satria raha ireo voambolana roa ireo tokoa ny tigetra dia teo no eo ihany dia namela ny elok’ireo olom-pirenena rehetra nampidiriny am-ponja ny filohan’ny Repoblika.

Raha tena madio fo tokoa ny filoha Rajoelina dia tokony havotsony ireo migadra noho ny resaka politika amin’izao fotoana toa an’i : Claudine Razaimamonjy, Mbola Rajaonah, Berija Ravelomanantsoa, Rolly Mercia ary izy 12 mianadahy nampidirana am-ponja tsy an-drariny tamin’ny sabotsy 20 febroary 2021 lasa teo. Tsy ny olombelona no nandoalihana sy nangatahana famelan-keloka, fa Andriamanitra ary hoy ny Soratra Masina : «… ianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin’ny hefitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina,… ».

Araka ny fantatra ihany koa dia nentina nandresena ny asan’ny maizina sy ny asa ratsy no nikarakarana ity hetsika tao Mahamasina ity, kanefa anisan’ny asan’ny maizina izay mahazo laka eto amin’ity Firenena ity ny lainga, ny fijoroana vavolombelona mandainga hanamelohana ny namana (famoronana dosie), ny halatra, ny kolikoly, ny vono-olona,…Tsy nilaina ny fisehoana teo imason’izao tontolo izao fa nandohalika, nibebaka, nifona noho ireo asan’ny maizina rehetra manjaka eto amin’ny Firenena ireo ny mpitondra, fa afaka nanao izany tany an-tranony tsirairay avy tany toy ny nataon’ny filohan’ny Repoblika tany amin’ny toeram-pivoahana tany ivelany nialohan’ny niatrehan’ny ekipam-pirenena malagasy, Barea, ny ampahefa-dàlana teo amin’ny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika eo amin’ny baolina kitra.

Nihaino azy tokoa, angamba, Andriamanitra, satria tao amin’ny toerana mangingina izy no nivavaka ka nandresy ny Barea. Raha tena nivavaka marina ary raha voavela tokoa ny heloky ny mpiray firenena tonga tao Mahamasina dia tsy maintsy mamela ny helok’ireo rehetra (raha nisy aza izany) nampidirina any am-ponja noho ny antony tsy dia mazava loatra toa an’i Claudine Razaimamonjy, Rajaonah Mbola, Rolly Mercia, Berija ary ireo roambinifolo mianadahy nampidirina am-ponja satria nanao akanjo mena ny sabotsy 20 Febroary 2021 araka ny efa voalaza teo. Tsarovy mandrakariva fa : “ …izay bitsihinareo mangingina ao amin’ny efitrano dia hotorina eo amin’ny tampon-trano.” Taty Madagasikara indray ny mason’izao tontolo izao, indrindra ny mason’ireo Mpanompon’Andriamanitra, tamin’iny andro iny.