Miara-manonja sy depiote TIM – Mitohy ny fitakiana, mitohy ny tolona

Isambilo

Fahombiazana ny tatitra nataon’ny depiote TIM miisa 6 mianadahy, sy ny Miara-manonja teny amin’ny Magro Tanjombato ny sabotsy teo, na avy aza orana, na mbola nisy ihany aza ny sakana sy fampitahorana, tsy nahasakana ireo olona marobe an’aliny maro tonga nanatrika ny hetsika ireny rehetra ireny.

Naharitra ora 4 teo ny tatitra nataon’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara avy amin’ny mpanohitra, notronin’ny fianakaviamben’ny fanoherana avy amin’ny RMDM, ny Vondrona Panorama, sy ireo olona avy amin’ny lafy valon’i Madagasikara, nihaino ny tena fahamarinana misy eto amin’ny firenena, satria efa leon’ny fitaka sy ny lainga afafin’ny fitondrana amin’ny fitaovan-tseraserany, sy amin’ny haino aman-jerim-panjakana.

Nanombohana ny fotoana tamin’izany ny vavaka iraisam-pinoana, tao aorian’izay ny fametrahana samboady ireo depiote avy amin’ny antoko TIM izay mbola tsy nahazo izany, napetraky ny namany, satria tsy nataon’ny Filohan’ny Antenimierampirenena ny azy ireo, noho ny antony efa iaraha-mahalala dia antony politika. Ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana ihany tamin’ny ankapobeny, no nametrahan-dRamatoa Christine Razanamahasoa samboady.

Anisan’ny nisongadina tamin’izany, fa tsy mamaly ny hetahetam-bahoaka ny lalànan’ny tetibolam-panjakana 2021, ny antony dia ny ministra tompon’andraikitra dia ny ministry ny toekarena sy ny fitantanam-bola mihitsy no tsy mahay ny asany. Zo fototry ny olom-pirenena ny fanehoan-kevitra an-dalambe, ka tsy tokony ho sakantsakanana, na inona antony, na inona. Tsy ara-drariny ny nisamborana ireo 12 mianadahy ny 20 febroary lasa teo, noho izany tokony havotsotra tsy misy fepetra izy ireo. Voahitsakitsaka ny demokrasia eto amintsika ary efa miditra amin’ny fitondrana jadona ny fitondran-dRajoelina amin’izao fotoana izao. Noho izay antony izay, mitohy ny fitakiana, mitohy ny tolona.

Ho fanamafisana ny hetsika manaraka, mbola mamondrona ny hery hatrany ny fanoherana, ka hifanatona amin’ny rehetra izay manana olana amin’ny sehatra misy azy avy izy ireo, ka tsy voavahan’ny fitondrana hatramin’izao. Ho avy tsy ho ela ny hetsika manaraka, noho izany mila manaraka ny Miara-manonja hatrany ny rehetra, fa ao no hahenoina ny tena zavatra marina eto amin’ny firenena, izay inian’ny fitondrana sarontsaronana, nefa ny marina marina foana ary tsy maintsy mipoitra!