EDITO 9 Marsa – Fitondrana tsy mahavaha olana – Miezaka manary dia ny vahoaka

Sôh’son

Miezaka manary dia ny vahoaka ny fitondrana amin’izao fotoana izao amin’ny fanaovana zavatra etsy sy eroa. Samy miseho ho manao zavatra na ny tenan’ny filohan’ny Repoblika, na ny vadiny, na ireo ekipany ho fisehosehoana amin’ny vahoaka, fa hoe miasa izy ireo. Amin’ireny zavatra ataon’ny fitondrana ireny anefa, ny ankamaroany tsy misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka rotehin’ny fahasahiranana andro aman’alina. Tsy voahazon’izao fitondrana Rajoelina izao mihitsy ny fitotonganan’ny fahefa-mividin’ny sarambabem-bahoaka manoloana ny sondrobidim-piainana nidangana tsy nisy toy izany tato anatin’ny herintaona. Ny vidin-javatra efa niaka-bidy lafo dia lafo tany aloha tsy nihena, toy ny arina fandrehitra fahandroan-kanina; nipoitra koa ny vaovao marobe izay tsy nahitany fanafana na kely aza, toy ny vary, ny hena, ny atody, ny menaka, ny siramamy, sns…

Mahavariana ny mbola isian’ny manam-pahefana ao anaty fitondrana izao miaka-peo manohitra ny tsikeran’ny mpanohitra, fa tsy mangina dia miezaka mifofotra manao asa hanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka. Misy aza lasa miana-kendry, bingo manao matso mihitsy misalovana ny anjaran’ny sasany, ka lasa mampianatra manome lesona ny vahoaka. Ny sehatra natao iandreketany anefa tsy hita izay fiovàny, fa vao mainka aza mampihorin-koditra ny vahoaka sy mampiferin’aina andro aman’alina eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka malagasy. Ary amin’ny sehatra hafa tsy azy isehoany hainy, fa ny sehatra eo am-pelatanany no tsaraina tsy mahazo salanisa akory raha ho an’ny mpampianatra manome isa any an-tsekoly. Ny zava-bita no ifampitsaràna, ary ny bainga voavadika ihany no vavolombelon’ny mpiasa, raha ny fitenenana, fa tsy izay mbola vetsovetsoana toy ny valala eny an-danitra, sy ny mbola any ankibon’ny omby.

Niaraha-nahita tsara sy nandre ny olan’ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo sy ny vahaolana nentina namaha izany. Zara raha voalamina amin’ny ampahany ny fahitana ny raharaha. Tsy mbola fantatra mantsy ny marina hatreto, momba ny raharaha nahafaty ilay mpianatra tany Toamasina. Momba ny fitakiana na olan’ny mpiasa amina orinasa hafa kosa, tsy hita izay fivahany na ny famahana azy. Dia inona indray no raharaha hipoitra manaraka, satria ity fitondrana ity, dia tsy miraika amin’ny “rovitra omby tondro, fa rehefa omby loha” vao manomboka mikorapaka. Izany hoe, fitondrana tsy mahay mijery mandinika ny fiainam-pirenena, ka misoroka mialoha izay tokony hosorohina, satria tsy ao aminy ilay litania an’ny olom-panjakana mitondra firenena hoe “gouverner, c’est prévoir”. Zary toy ny lasa manao mpitsabo aorian’ny fahafatesana vao tonga “médecin après la mort” hatrany. Mazava loatra, midika tsotra izao ho tsy fahaiza-mitondra firenena izany.

Ary hita ho tsy mandray lesona mihitsy tamin’ny zava-nitranga teto amin’ny firenena ity fitondrana ity, samy misinton-kevitra ny amin’izany ny mpanara-baovao sy ny mpandinika ny fiainam-pirenena rehetra amin’izao fotoana izao. Raha any am-pianarana, mpianatra anehoana lesona averimberina sy efa anaovana fampiharana matetika, ka tsy voarain’ny sainy mihitsy, inona no ilazana izany mpianatra izany?