EDITO 2 Marsa – Fampandrosoana mitsingevaheva tsy hipaka amin’ny fiainam-bahoaka

Sôh’son

Miditra amin’ny volana fahatelo amin’ity taona ity sahady isika. Mihazakazaka ny andro sy volana. Toa mihazakazaka manaraka izay ihany koa ny fizotry ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Ny fizotrany ihany anefa no mihazakazaka, fa ny fomba fiasa sy ny fitantanam-pirenena tsy miara-dalana amin’izany. Niharihary ny tsy fahombiazan’ny fitondrana eo amin’ny tontolon’ny fampianarana. Saiky nanerana ny renivohi-paritany ny hetsika sy fitakiana teny amin’ireo Oniversite nataon’ny mpianatra. Lasa zavatra hafa indray no nandehanan’ny sain’ny mpianatra, fa tsy afa-nifantoka tamin’ny fandrantoana fahaizana amam-pahalalana, izay antony andehanany eny amin’ireny sekoly ambony ireny. Tsy inian’ireo mpianatra izany, fa ny fomba fitantanana mihitsy no tsy mahomby sy misy lesoka hatrany. Zana-bahoaka no mandranto fahaizana amin’ireny toerana ireny. Efa ho roa taona mahery eo amin’ny fitondrana dia tsy nahay nisoroka ny tsy itrangan’ireny toe-javatra ireny izay nampalahelo mihitsy, fa niafara tamin’ny famoizana aina mpianatra sy nisy rà latsaka.

Mihazakazaka hananika ny vovonana ny fitondrana kanefa ny tokonana aza tsy afaka. Izay no fahitana ny fihetsiny tato ho ato. Ny fototra tena ilaina sy zava-dehibe ho amin’ny fampiorenana marina ny firenena mba hahavanona azy aza atao antsirambina. Miha- mahazo vahana eny anivom-piarahamonina ny toe-tsaina mikoroso fahana noho ny an-tandrevaka amin’ny fitaizana sy fanabeazana ny olom-pirenena. Hita sy re ao anatin’izao fitondrana izao ny toe-tsaina tsy manome hasina intsony ny aina, ny hasarobidin’ny menaky ny aina, ny fanajana ny rariny sy hitsiny. Nihataka lavitra amin’ny lalan’ny fahendrena voafaritry ny soatoavina maha Malagasy madio ny fiainam-bahoaka. N’inona n’inona fanazavana dia tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny fitondrana. N’inona n’inoa koa anefa asa na ezaka fampandrosoana ataon’izao fitondrana izao dia hiàla maina ihany izy tsy hahita fahombiazana satria ny fototra tena ilaina mihitsy no ataony an-tandrevaka. Ny fampisaraham-bazana ny mponina amin’ny fitanilan’ny fanomezana sy fanampiana ataony mandraka ankehitriny dia fositra iray lehibe manimba ny firaisankinam-bahoaka. Izay misaraka anefa fasika, hoy ny fahendren’ny Ntaolo. Hinia hikimpy anoloan’izany ny fitondrana, ka mihevitra fa ho voasaron’ny asa atao toy ny fanaovana fiara mihantona mikorisa amin’ny tariby sy ny zavatra samihafa toy izany dia hampilamina na hampirindra ny fiaraha-monina. Hadisoan-kevitra lehibe raha izany. Matetika koa anefa no diso hevitra sy tetika ny fitondrana hany ka misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainam-bahoaka izany. Dia izao iaraha-mahita mbola ao anaty fahantrana lalina izao ny sarambabem-bahoaka.

Raha fehezina, mbola “valala eny an-danitra” ny asa fampandrosoana ambaran’ny fitondrana hotanterahiny. Izany hoe mbola tsy hisy fiovàna antenaina aloha amin’ny fiainam-bahoaka ao anatin’izao fitondrana ankehitriny izao. Fampandrosoana mitsingevaheva ihany, fa tsy manana fototra marina mifanaraka amin’ny sitraky ny vahoaka Malagasy.