EDITO 27 Febroary – Ny hery tsy mahaleo ny fanahy

Helisoa

Miaina ao anaty fahantrana tanteraka ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Tsy misy intsony ny kilasy salantsalalany fa dia tratry ny fahasahiranana avokoa ny 90% ny Malagasy. Ny mpitondra sy ny manana fahefana anefa migalabona ao anatin’ny harembe tsy hita noanoa miha-matavy isan’andro. Ao anatin’izany indrindra, vao mainka manampatra fahefana ny mpitondra satria tsy fantany izany hoe miaina ao anaty fahantrana izany. Hany ka ny fitadiavana ataon’ny olona madinika mitady izay ho hanina isan’andro aza ilàny kisa avokoa.

Tao anatin’ny andro maromaro izao, mitaraina ireo mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo manerana ny Nosy, fa tsy voaloan’ny fanjakana ny vatsimpianarana efa ho 4 volana. Ny tany Toamasina dia namoizana aina mihintsy, ny tany Antsiranana misy ireo nogadraina. Manoloana izany, tsy misy vahaolana raisin’ny tompon’andraiki-panjakàna, mba matotra fa famonoana afo ihany no mba hainy atao. Mampieritreritra sy mampanontany tena ny zavamisy any Toliara satria mifamono ny mpianatra samy mpianatra, fa inona ity e? Mbola tsy nisy ohatra izany angamba tao anatin’ny 60 taona. Ho entina mankaiza ary ity firenena ity?

Rehefa misy ny mitaky ny tsy rariny eto amin’ny firenena, na mpianatra mitaky ny zony, ny sendika manao hetsika, ny solombavambahoaka hanao tatitra amin’ny vahoaka hanamparana fahefana amin’ny fampiasana fitaovampiadiana mahery vaika. Mandrampahoviana ny fanamparana ny fahefana eo ampelatanana vao hijanona? Tadidio fa ny hery tsy mahaleo ny fanahy hoy ny Ntaolo izay .