Fianakaviamben’ny mpanohitra – Hiova ho ady amin’ny DJ, na Didy Jadona ny tolona

Helisoa

Hiova ho ady amin’ny DJ, na ady amin’ny Didy Jadona ny tolon’ny fianakaviamben’ny mpanohitra manomboka izao. Nisy ny valandresaka nataon’ny fianakaviamben’ny mpanohitra eto Madagasikara: ny TIM , ny RMDM, ny vondrona PANORAMA ary ny fikambanana maro samihafa, tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM tao Bel’Air Ampandrana afak’omaly.

Tao anatin’izany dia niray feo ireo mpanohitra rehetra, fa miova ho tolom-bahoaka hiady amin’ny jadona sy ny fanaparam-pahefana manomboka izao ny hetsika, fa tsy tatitra ataon’ny depiote TIM fotsiny intsony.

Noho izany, mitaky ny hamotsorana tsy misy fepetra ireo nogadraina miisa 11 ny mpikambana rehetra ao anatin’ny rodoben’ny mpanohitra, satria tsy nisy doro trano, na korontana, na rà latsaka tamin’ny sabotsy 20 febroary teo hoy izy ireo.

Ankoatra izay dia manameloka ny fanaparam-pahefana nataon’ny mpitondra amin’ny fampiasàna fitaovam-piadiana mahery vaika nafarana antsokosoko namoretana vahoaka ny mpanohitra, araka ny tatitra nataon’ny filoha lefitry ny RMDM ny pasitera Edouard Tsarahame.

Anisan’ny nitarika izao tafa tamin’ny mpanao gazety izao ny senateran’i Madagasikara teo aloha avy amin’ny antoko HVM Andriamatoa Rémi, ny filoha lefitry ny RMDM Faritanin’i Toaliara Pasitera Edouard Tsarahame, ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM Rina Randriamasinoro, ny filohan’ny antoko Kintana Tabera Randriamanantsoa,… Arak’izany dia mitohy ny tolona, hoy izy ireo. Na tsy tafiditra teo amin’ny 13 mey azan y mpanohitra ny sabotsy teo, fahombiazana ho azy ireo io zava-nitranga ny sabotsy teo iny, hoy ihany ny fanambarana.