Sabotsy 20 febroary 2021 – Eo amin’ny 13 mey anio, rehefa tsy nomena Ambohijatovo

Niaina

Nanome toromarika mahakasika ny tatitra, tokony hataon’ireo depioten’Antananarivo Renivohitra miisa 6 mianadahy, hatao anio ny tao amin’ny fandaharana Miara-manonja omaly, tamin’ny alalan’nydepiote Me Hanitra Razafimanantsoa, sy ny depiote Fidèle Razara Pierre. Nambaran’izy ireo nandritra izany, fa rehefa tsy nomen’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), sy ny fitondrana ny kianjan’ny demokrasia ao Ambohijatovo, dia ho eo amin’ny kianjan’ny 13 mey isika anio hoy izy ireo.

Naneho ny heviny mahakasika ny famonoana mpianatra nitaky ny zony tany Toamasina koa izy ireo. Nahafaty mpianatra ny mpitandro filamainana, atsaharo ny herisetra ry mpitondra sy ny forongony hoy izy ireo. Nametra-panontaniana izy ireo nandritra izany: iza no mandatsa-drà ankehitriny? Iza no manakorontana ankehitriny? Iza no nandainga foana hatramin’izay? Tsy ny mpanohitra velively. Mampalahelo hoy ny fanambarana ary melohina marin-drano ny fandatsahan-drà ataon’ny fitondrana manoloana ny hetsika milamina ataon’ny mpianatra mitaky ny zony. Rehefa tsy mahavaha olona ny fitondrana dia ny fampiasana herisetra foana no hany sisa hery. Eto dia miondrika izahay hoy izy ireo, eo anatrehan’ny fianakaviana izay namoy ity zanany mbola vao 23 taona mpianatra tao amin’ny Oniversite tao amin’ny sampana ekônômia taona faharoa ity, ary mankahery ireo voaratran’ny mpitandro filaminana.

Manoloana izao fandatsahan-drà izao, dia takiana amin’ny fitondrana ankehitriny ny fanatsaharana tsy misy hatakandro ny fampiasan-kery rehetra amin’ny vahoaka, izay tsy manao afa-tsy ny mitaky ny zony am-pilaminana. Ary torak’izany koa ny mikasika ny tatitra izay hataon’ny solombavambahoaka anio sabotsy 20 febroary, aoka halalaka ny fanatanterahana ny andraikiny eo amin’ny Kianjan’ny 13 mey Analakely, tatitra izay voafaritra ao anatin’ny Lalampanorenana. Vao mainka mety amin’ny tatitra anio ny eo amin’ny 13 mey hoy ny Miara-manonja, satria maro ny lalana hahafahana mankeo. Tsy tatitry ny depiote ihany ny anio, fa fihaonamben’ny vahoaka ihany koa ary amin’ny maha-fihaonambe azy izay, eo koa no handraisan’ny vahoaka fanapahan-kevitra ny amin’ny hitondrana indray ny firenena amin’ny ho avy.

Raha hiverenana kosa ny olan’ny mpianatra any Toamasina, efa misy karazany roa sahady ny valintenin’ny mpitondra ankehitriny hoy ihany ny fanambarana, misy filazana fa “balle perdue” no nahafaty ilay mpianatra, misy ihany koa ny filazana fa fiarovantena, na “légitime defense” no nataon’ny mpitandro filaminana. Ireo teny roa ireo dia tsy mitovy sady mifanipaka toy ny atsimo sy avaratra. “Balle perdue” hoy izy ireo dia tsy ho eny amin’ny tongotra no voa, tsy ho eny amin’ny tratra no voatifitra.

Nisokatra ho an’ny be sy ny maro koa ny fandaharana Miara-manonja omaly, maro ireo sokajin’olona samihafa nandray fitenenana tao, nanao fanentanana ny amin’ny hahatongavana maro anio ao amin’ny 13 mey, hihainoana ny tatitr’ireo depiote ary hiadiana ihany koa ny tsy rariny rehetra misy eto amin’ny firenena.