Mpianatra Oniversite Antananarivo – Hisaona nohon’ny naman’izy ireo lavon’ny bala

Franck Razakambelo

Hisalotra akanjo mainty avokoa ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite Antananarivo, amin’ny alatsinainy izao ary hifamotoana etsy amin’ny « Fast food » haneho fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ny naman’izy ireo, izay lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny alakamisy teo tany Barikadimy, Oniversite Toamasina.

Nilaza i Friends Duc, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra avy any amin’ny faritra Analanjirofo, fa manameloka ny fandatsahan’aina ny mpianatra nataon’ny mpitandro filaminana ary tsy mankasitraka ny fanohintohinana ataon’ny tompon’andraiki-panjakana manoloana ny fahalalan’ny mpianatra maneho hevitra sy mitaky ny zony eny amin’ny Oniversite. Nanohy fanazavana i Friends Duc, fa tsy misy ambadika politika ny hetsiky ny mpianatry ny Oniversite manerana ny nosy ary tsy manaiky ny hampakarana« Conseil de discipline » ho an’ireo mpianatra voasambotra tao Barikadimy izy ireo. Nanamafy ity filohan’ny fikambanan’ny mpianatra any amin’ny faritra Analanjirofo ity, fa nitsahatra ny tolon’ny mpianatra raha toa ka novahan’ny fanjakana ny fandoavana vatsim-pianarana 4 volana miampy ny saran’ny fampitaovana ho an’ity taona ity ary ho fanampin’ny fangatahan’izy ireo dia mbola mitaky ny fampiakarana ny saran’ny vatsim-pianarana sy ny fametrahana tambazotra « Wifi » any amin’ny Oniversite tsirairay ny mpianatra.

Ho mariky ny fiarahana misalahy eo amin’ny samy mpianatra dia hifamotoana etsy amin’ny « Fast food » Ankatso ny mpianatra avy amin’ny faritra 22 handinika amin’ny mety ho tohin’ny fitakian’izy ireo ary manao antso avo ho an’ny mpianatra, mba hanao fitafiana mainty ho mariky ny fiaraha miory miaraka amin’ny fianakavian’ny naman’izy ireo manaman-jo.