Fitondrana tsy mahaloa volan’olona – Atao ampamoaka eny amin’ny kianjan’ny 13 mey

Ny Valosoa

Mba betsaka ihany izay mpitondra nifandimby teto izay, fa ny ankehitriny no lohalaharana amin’ny tsy fandoavana volan’olona tao anatin’ny 60 taona mahery niverenenan’ny fahaleovantena. Ny hetsika rehetra niseho tao anatin’ny herinandro dia resaka tsy fandoavan’ny mpitondra ny vola tokony ho naloany.

Mitaky vatsimpianarana ireo mpianatra manerana an’i Madagasikara, zony tanteraka izany ary efa voakajy tao anatin’ny tetibolampanjakana ny fisitrahana ilay vola kely tsy mahavita iray volana akory, kanefa dia baomba mandatsa-dranomaso no setriny, ny tany Toamasina aza dia nampalahelo fa niafara tamin’ny famoizana ny ain’ny mpianatra iray. Ramatoa Minisitry ny kolontsaina sy ny serasera dia manatsotsotra ny resaka amin’ny hoe: tifi-danitra no natao dia nahavoa ny fen’ilay mpianatra , dia hoy ny tanora be vazivazy hoe: misy lanitra ambany angaha? Hay moa ny lanitra ambany tokoa fa zavatra hafa izay any amin’ny miafina tsy hita.

Mitaraina amin’ny tsy fahazoana ny tambin-karama sahaza ny asa natao, izay efa voasoratra ao amin’ny lalàna velona, fa misy sandany ny “requisition” ho an”ireo “paramed”, kanefa dia nampitahorina tamin’ny resaka fampiantsoana teny amin’ny Zandary ny mpitarika ny sendikan’ny “ paramed “, nodarohana baomba manempotra ireo “paramed” tonga teny amin’ny HJRA.

Tsy azo atao ambany maso tsy hita koa ireo orinasa mpikojakoja lalana izay mbola tsy nahazo ny saran’ny asa nataony, kanefa dia efa vita tanteraka ny asa , vita hatramin’ny fandraisana sy efa nidedahan’ny mpitondra aza, saingy tsy mbola voaloa ny saran’ny asa vita. Ireo no voalaza fa maro ireo fitarainana manerana an’i Madagasikara.

Ny fomba fanao amin’ny olona tsy mahaloa volan’olona dia entina eny amin’ny fokontany aloha ny raharaha, dia ny komitim-pokontany no mandamina ny raharaha amin’ny alalan’ny fampanaovana raharaham-pihavanana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany, raha mbola miziriziry ilay tsy mahaloa vola dia miakatra ambaratonga hafa ny raharaha toy ny eny amin’ny polisy na zandary, dia tonga hatreny amin’ny fitsarana ary miafara amin’ny fakana vadintany hangeja ny entan’ilay tsy mahaloa volan’olona.

Saingy indrisy fa tsy misy azo tanterahina ireo dingana voalaza ireo, satria fokontany iza no ho sahy hitory mpitondra fanjakana ambony, ny zandary sy polisy moa dia efa tsy antenaina, satria izy ireo indray aza no mandefa ny entona manempotra any amin’ireo mpitaky ny volany, izay azo adika hoe : iny ny valin’ny fangatahanareo , ary fitsarana iza no hanameloka ireo mpitondra tsy mahaloa volan’olona, ny vadintany moa dia tsy misy azony atao raha tsy misy ny didimpitsarana mivoaka hahazoany manao ny asany.

Ny dikan’izany rehetra izany dia ho sasamiandry sy hanantena tsy misy ireo tsy nahazo ny volany raha tsy mihetsika, ka ny hetsika andrasana aminareo tsy nahazo ny volanareo dia ny fiaraha-manonja eny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey amin’ny anio , satria ny tatitra ataon’ireo Depiote voafidy teto Antananarivo Renivohitra tamin’ny anaran’ny Tiako i Madagasikara dia hanao ampamoaka ny fomba ratsy nitantanana ny volambahoaka, nahatonga ny mpitondra ho mpandositra volan’olona.