Antoko TIM sy ny mpanohitra – FANAMBARANA

FANAMBARANA

FANAMBARANA nataon’ny solombavambahoaka TIAKO I MADAGASIKARA

Rehefa nanao fampahafantarana ny Solombavambahoaka TIM voafidy teto Antananarivo Renivohitra fa hanao tatitra dia namaky ady avy hatrany tamin’ny vahoaka ny mpitondra fanjakàna “Andry Rajoelina” satria noraisin’izy ireo toy ny dahalo sy fahavalom-pirenena ireo olona izay naniry hanatrika izany tatitra izany, eny fa na dia ireo vahoaka avy any ivelan’Antananarivo aza dia voahitsakitsaka ny zony noho ny sakana nataon’ny mpitandro filaminana teo amin’ny lafiny fifamoivoizana ka tsy nahafahany namonjy izay alehany na dia tsy nisy hifandraisany amin’ny tatitra akory aza izany.

Nanampy trotraka ny fisamborana ireo olona niakanjo mena na dia tsy nisy soratra “Miara-Manonja” aza.

Noho ireo antony ireo dia melohanay tanteraka izany fehetsika izany ka handraisanay izao fanapahan-kevitra izao:
o Tsy tatitra fotsiny intsony no hataon’ny Solombavambahoaka sy ny mpiaradia aminy fa hiantso ny vahoaka iray manontolo hiady amin’ny jadona sy ny fanamparam-pahefàna.
o Manameloka ny famonoan’olona toy ny tany Toamasina sy ny fandatsahan-drà ary ny fisamborana natao teto Antananarivo.
o Manameloka ny hazalambo atao amin’ny mpitarika sy ny solombavambahoaka.
o Tsy hitsahatra izany ny hetsika raha tsy tafiditra eo amin’ny kianja 13 may hanao tatitra sy haneho hevitra ankalalahana ho taratry ny demokrasia.
o Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny mpiaro ny zon’olombelona mba hijery akaiky izao toe-draharaha izao.

Natao izao fanambaràna izao mba hampahafantarana ny vahoaka fa MITOHY NY TOLONA.

Natao androany, faha 20 febroary 2021