HO MPANOHITRA AMIN’IZAY

Ho mpanohitra amin’izay ‘zahay vahoaka sesehena,
Izay niandrandra fanovana noho ‘nareo nampanantena.
Ho mpanohitra amin’izay na mbola ho be ny fampiesonana,
Ary koa na mbola hitohy ireo karazam-pandrahonana.

Ho mpanohitra amin’izay ‘zahay mahantra sy tsy manana,
Notambazam-bola kely tamin’ny androm-pifidianana.
Ho mpanohitra amin’izay f’izao vao fantatray mazava
Hoe ‘nareo mpitondra ireo no tena sefon’ny mpandrava!

Ho mpanohitra amin’izay ‘zahay madinika, mpivarotra,
‘Zay ailika, roahina amin’ny andro tena sarotra.
Ho mpanohitra amin’izay satria tsy misy fitsinjovana,
Mba ataonareo mpitondra tena tsy mifaditra ovana!

Ho mpanohitra amin’izay ‘zahay miahy ny fitsaboana.
(Tambin’ny karamanay, hatreto, arirarira foana!)
Iretsy ngeza ao aminay dia tsy mitsahatra “mamoaka”.
(Tsy laharam-pahamehany raha izay momba ny aim-bahoaka!)

Ho mpanohitra amin’izay ‘zahay mpampianatra tsy miankina,
Fa ‘zay mba ronononay dia efa maina sady tankina.
Tena tsisy fijerena izay mba mombamomba anay,
F’hatramin’ny “tambiny fandray” dia ‘zao nesorina indray!

Ho mpanohitra amin’izay ny Malagasy manontolo
Mahatsiaro efa mijaly sy efa tena miongo-bolo.
Ka hatreto dia mitaky fanovana tena lalina,
F’efa maizina tanteraka sy mikitroka ny alina!

DADAN’i ZINA (14-02-21)