EDITO 16 Febroary – Vahaolan’ny fitondrana – Tsy mitondra fanovàna amin’ny fiainam-bahoaka

Sôh’son

Toy ny langilangy zozoro ny hetsika ataon’ny fitondrana eo amin’ny lafiny sosialy, hany ka tsy mahaova n’inona n’inona eo amin’ny fiainam-bahoaka andavanandro. Ny fiainan’ny vahoaka atrehiny ihany no eo, ary tsy misy fiovàny ny sondrobidim-piainana. Natao vely vilany ny nilazana, fa tonga ny vary nafarana ary amidy amin’ny 1500 Ar ny kilao. Avy eo naparitaka tamin’ny toerana samihafa, niara-namidin’ny mpivarotra mpaninjara tamin’ny vary hafa teo amin’ny tsenany. Tsy hita anefa izay olona taitra sy nikoropaka nividy, toy ny niseho tamin’ny fizarana ny vatsy tsinjo nitsinjovan’ny fitondrana ny sosialim-bahoaka, izay nifanjevoana be tokoa nanerana ny fokontany sy kaomina maro teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy toy izany no nitranga ary misy antony ao matoa izany no zava-misy. Ao anaty fahasahiranana lalina ny sarambabem-bahoaka amin’izao fotoana izao. Fotoam-pahavaratra rahateo no iainana, izay isian’ny maitso ahitra. Tsy mbola miakatra tanteraka ny vary aloha, ka ilazana izay tsy firaikana amin’ny tsy fividianana vary nambara amidy mora miohatra amin’ny karazam-bary hafa. Na izany na tsia, ny zavatra hita dia tsotra, tsy mahavaha ny olana ny varin’ny fitondrana namidy amin’ny vidiny ambany noho ny hafa. Tsy mihena ny vidin’ireo vary hafa ireo, fa mihazohazo manakaiky ny 3000 Ar avokoa. Midehaka anefa ny filohan’ny Repoblika, fa tena fitondrana mitsinjo ny sosialim-bahoaka izy ary miavaka noho ny teo alohany rehetra.

Misy ny sakafo zaraina na amidy amin’ny vidiny mora eny amin’ny fokontany sasantsasany eto an-drenivohitra, ary tsy voakasika ny tanàna na ny kaomina manodidina. Tsy ny olom-pirenena rehetra ao amin’ilay ahitana izany anefa no misitraka izany, fa ampahany kely monja ihany. Iaraha-mahalala tsara anefa, ary azo hamarinina izany, fa saika ny ankamaroan’ny Malagasy no iharan’ny tsy fahampian-tsakafo, na araka habetsahana na ara-kalitao. Izany hoe, manao fe manao ny fitondrana, fa tsy mahavaha olana amin’ny filana ara-tsakafon’ny Malagasy akory. Mbola lavitra ny afo ny kitay raha ny asa atao eo amin’ity lafiny fanjarian-tsakafo ity eto amin’ny Nosy. Raha mahatsapa izany ny fitondrana dia mba nisaina kely ihany tsy hanao be lazao ho mahavita noho ny hafa.

Ny zavatra izay saika ataon’izao fitondrana izao, dia toy izany avokoa. Manao anefa tsy maharaka ny mila azy. Niharihary tsara izany tao anatin’ireny krizy ara-pahasalamana ireny, sy ny fizarana fanampiana ny mponina. Fitondrana “kely endaka” ny filazan’ny sasany azy. Miseho ho babany kanefa manao “fivoakan’ny akoho maraina tsy mahalasa lavitra akory”.