EDITO 13 Febroary – Demôkrasia inona no antenaina eto raha izao no zava-misy

Sôh’son

Tsy misy demôkrasia eto Madagasikara, izay no zava-misy hita taratra mazava amin’izao fotoana izao. Tsy afaka hiàla bala amin’izany ny fitondrana n’inona n’inona fiarovan-tenany, fa izay ambarany amin’izany dia miendrika famitaham-bahoaka tsotra izao.

Raha voatohintohina fotsiny ny fanehoan-kevitra momba ny raharaham-pirenena ataon’ny olom-pirenena tsy ankanavaka, n’inona n’inona endrika izany, dia fanosihosena ny demôkrasia izany. Ary ny tsy famelana ny olom-pirenena haneho hevitra amin’izay toerana safidiany dia ao anatin’izany ihany koa. Resabe sy tena fanaovana tsinontsinona ny vahoaka ny filazana, fa efa misy ireo solombavambahoaka sy loholona hitondra ny teny sy ny hevitry ny vahoaka. Tsy tokony hahasakana ny vahoaka velively haneho ny heviny na misy aza ireo andrimpanjakana ireo. Iaraha-mahita rahateo izy ireo fa tena eo ambany saokan’ny fitondrana sy mpanatanteraka, baiko fotsiny satria ny maro an’isa ao, izay tompon’ny fanapahan-kevitra mivoaka ao, dia avy amin’ny antokon’ny fitondrana avokoa ary tena miara-dalana sy miara-mihosina amin’ny fitondrana. Ny ao amin’ny loholona dia iaraha-mahita sy mahalala tsara fa tsy misy na iray aza avy amin’ny vondron’ny mpanohitra, fa miara-dia amin’ny fitondrana avokoa izy mianakavy. Mazava loatra, fa tsy azon’ny vahoaka te haneho hevitra fanoherana iankinana na ianteherana ireo. Ny olom-boafidy ao tsy mitovy hevitra aminy aza efa anaovana teny hafahafa miendrika fandrahonana. Ka inona no antenain’ny vahoaka amin’izay solombavam-pitondrana! Ary eto dia tena misy rafi-panjakana napetraka tsy miahotra amin’ny famerana ny vahoaka tsy haneho hevitra malalaka. Izay angamba no nanakaramana azy nefa volan’ilay vahoaka ihany koa izany ivelomany sy hangoronana harena izany. Moa tsy fanitsahana an-tampon’ny loha ny vahoaka Malagasy izany?

Mahavariana fa misy natsangana eto amin’ny firenena ny filankevitra ambony miaro ny demôkrasia, na ny HCDDED. Ataon’ny fitondrana inona fotsiny io? Andaniam-bolam-bahoaka? Miharihary fa dinganina fotsiny izao izy io, ary tsy mbola re na nandrenesana mba naka hevitra tany ny fitondrana. Nefa ny tomponandraikitra ao aminy mba miezaka miteny sy manazava ihany. Hatreto dia azo lazaina ho tsy nahavita ny asany io rafitra iray io, satria ilay antom-pisiany mihitsy no voatohintohina sy voahitsakitsaka. Mampieritreritra ny tsy hanafoanana azy raha izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Tsy hita mihitsy mantsy izay mba fiezahana na finiavana avy amin’ny fitondrana hiroso ho amin’ny lalan’ny fanatsarana ny hipetrahan’ny demôkrasia eto amin’ny firenena. Sa ihatsarambelatsihy amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola io?

Mihataka amin’ny lalan’ireo firenena mandala ny demôkrasia ny firenena ankehitriny. Miha-hita soritra ny fampiharana didy jadona amin’ny alalan’ny fampiasana ireo Emmoreg, EmmoNat, toy ny nitranga tamin’ny toerana maro samihafa. Ny vavan’ny mpitondra fotsiny no tsy mivaky izany, fa ny ataony efa mizotra mankany.