AVO VAVA NY TSY MARINA

Faniriana ny hisian’izany hoe mangarahara,
Ka ny marina no iainana eto Madagasikara.
Saingy indrisy toa mitoetra ho fikasana ihany izany,
Fa ny ataon’ireo mpitondra dia kilaingalainga hatrany!

Izy ireo sy ny vahiny no indro miombona hafetsena,
Ka mangalatra mandroba ireo haren’ny firenena.
Dia avy eo toa mody fanina, na somary mody adala,
Ka miteniteny foana sy somary miala bala.

Tsisy “ngeza” mba voafonja, tsisy “lohany” voatana,
Fa ny “pirina” hatrany, ireny no any am-pigadrana.
Izay no marika mitory, izay no tena hoe midika
Fa tsy ho an’ireo mpitondra raha izay fonja eto amintsika!

Izy ireo dia afa-maina sy voaaro lalandava.
Ny antony dia tsotra ihany sy mazava dia mazava:
Ireo izay “lohany” matoa tsy mba voaantso na voatana
Dia baikoiny sy feheziny ny tontolom-pitsarana.

Ka indreo miriaria sy avo vava ny tsy marina.
Ampiakariny ny feony, heveriny ho tsy mety farina.
Saingy raha izay manga lo, tsy maintsy hitontona hianjera,
Ka dia mahareta isika f’efa antomotra ny lera!

TSIMIMALO (10-02-21)