Krizy politika – Hihaona amin’ny FFKM ny Miara-manonja

Helisoa

Mitohy hatrany ny fandaharana Miara-manonja, na maro aza ny ankasomparana, sy fampitahorana mahazo ireo mpanentana ao amin’ity fandaharana ataon’ny fanoherana eto Madagasikara ity. Eo koa ny didikofehilehibe nataon’ny fanjakàna amin’ny fanajanonana ny MBS ao amin’ny Canal +, Parabole , Startimes.

Ankoatra izay, misy ireo mpitandro filaminana mirongo basy manodidina ny trano fonenan’ny filoha Marc Ravalomanana. Manoloana izany, nanapakevitra ny Miara-manonja, fa hangataka fihaonana amin’ny FFKM, amin’ny maha ray amandreny ampanahy azy ireo, izay tsy azo dinganina eto amin’ny firenena rah any mahakasika ny raharaham-pirenena. Ny antony dia tsy mieritreritra ny mpanohitra fa hamboly korontana eto, fa ny mpitondra no mahatonga ny onja isamboaravoara eto amin’ny firenena ankehitriny.

Eto izahay dia misaotra ny FFKM hoy ny depiote Fidèle Razara Pierre, fa nanaiky ny fihaonana izy ireo. Ny toerana sy ny fotoana dia mbola tsy avoaka aloha, fa ny fantatra fotsiny ary tena zava-dehibe dia nanaiky ireo ray amandreny ampanahy ireo hihaona amin’ny Miara-manonja. Tsy nanosi-bohotanana ireto farany, fa nahatsapa izy ireo fa ilaina ny fifampiresahana amin’izao fotoana izao.

Ny fotokevitra ho dinihana amin’izany dia tsy ho lazaina aloha, fa miankina amin’ny FFKM io, hoy ihany ny depiote Fidèle Razara Pierre. Fantatra koa izao, fa ho tanterahana ny zoma ho avy izao ny raharaha mahakasika ny nanajanonan’ny fanjakana ny fahitalavitra MBS ao amin’ireo televiziona satelita: Canal +, Startimes ary Parabole.