Kelly Geant – Malagasy any Frantsa – Andrianjato, sorona ho an’ireo rehetra mitokona amin’izao fotoana

Nangonin’Isambilo

Tafaresaka tamin’i Kelly Géant, malagasy monina any Frantsa : mpanoratra sy mpanao sary hosodoko any Toulouse ny gazety Ny Valosoa Vaovao mahakasika ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Dinidinika :

Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV) : Manao ahoana ny fahitanao ny raharaham-pifrenena aty Madagasikara amin’izao fotoana, na Malagasy monina any an-dafy aza ianao?

Kelly Géant (KG) : Voalohany aloha : henjano ny hetra na ny fehikibo. Nahoana kosa moa? SATRIA ve NDRIANJATO no mba sahinareo fitondrana hataotao, fa tsy manana immunité? Fikana sarimbavy ny anareo ary MAZAVA IZAO, fa tsy manana herizika hoenti-miady amin’ny fahantrana sy ITY Fahalovan’ny firenena ITY ianareo! Matahotra NY traikefan’i NDRIANJATO nareo e! Eny na iray kosa aza tsy misy mahasehaka an’ireto miara-manonja ireto! Sady atidoha ny ANAY ireo no manana ny fitiavan-tanindrazana madio mangatsakatsaka! Nareo tokony hamidy indray ity no toa hivarotra ANAY! RY Rabelaolao ve? RY Ony Rambelo ve? Ry Yannick Raherimanana sns… ve? Eny e! Vola tokoa angaha!

GNVV: Mbola tokony hitondra ny Malagasy ihany ary ve ny filoha Rajoelina?

KG: Iza moa no tsy EFA nanaiky Rajoelina ity e! Nilefitra Ravalomanana, eny nanaiky NY vahoaka, na dia fantatra aza NY fanonganam -panjakana 2009. Tsy ny vahoaka ihany fa na ny PTF aza dia toa alanenina ihany ny nataony satria dia hatreto miharihary, na eo imason’ny vahoaka sy ry zareo NY fampiesonana, sy havendranan-dRajoelina. Tsy nihevitra NY hanadio na hanitsy ny lalana akory izy vao tonga teo amin’ny fitondrana, toa tsy andriny akory izay nahatongavana teo dia NY nataony ihany no nataony, ary tena azo porofoina hatreto, fa heveriny fa an’ny anadahindreniny i Madagasikara, ka namboamboariny. Lainga SY fitaka ranofotsiny, asa mba inona no nahazahoan-drangahy io an’i Mialy vadiny fa raha toy izao mampiritreritra a! Nisy nilaza aza hoe toa en relation libre miaraka amin’i ZAMPERA lery a! Sarindiky ve? Zao dia mandeha ny Mandeha amin’ny fanondranana bois de Rose an ! Any Maroantsetra any! RAHA misy hiditra aty ambilanintsika moa haninona! Hitako eo ny fikanareo fa efa akaiky ITY NY tsy fahafahana mandoa intsony ny karaman’ny mpiasampanjakana. RY Lantokely sy ry Lalatiana ary Rasoamaromaka sisa mampiasa gros bras SY manaparitaka vola, dia ry Nylon amin’ny serasera sisa… Ny fetsy efa manomboka misaina!

GNVV: Tadiavin’ny fitondrana hosamborina tokoa i Andrianjato, ny fahitanao an’izay?

KG: Inona moa no mahaory an’i NDRIANJATO? Inona no mahaory an’ireo miaramanonja ireo? NEFA dia izy aloha izao no ankahalaina. Fitiavan-tanindrazana daholo izany ry malagasy namako. Tadidio ry PARAMED fa NDRIANJATO zao no sorona satria nitsikera SY nanatsikafona NY zonareo teo amin’ny miaramanonja. Mailaka ery RAJOELINA ni-réquisition anareo tamin’izany, nefa izao NY vola tambin-karamanareo nifirany, na ny marimarina kokoa tsy nefainy. Tsy mena-mivadika io ho aho.

GNVV: Ary ny momba ny raharaha ministra Rolly Mercia, ahoana koa ny mahakasika an’izay?

KG: Izao na dia efa nibabaka aza ilay nitory an’i ROLLY MERCIA, mbola tazoniny ihany, tadidio ry mpiasan’ny CHROMITA, fa NDRIANJATO izao no sorona mitaky NY zonareo, tandremo ry mpamboly vanilla, fa efa misy sorona izao any misolo vaika anareo, ry mpanao isan’andro, ry mpanasa fiara tsy navela hiasa, ry mpivarotra enta-madinika amoron-dalana, ry Maitre FRAM, ireo voagadragadra fahatany any Diego, izay mbola mpianatra, ry Malagasy voretra tsy misasa fa tsy misy rano, ry mpaningina SY ry mpanao volo voaelingelina tsy miasa, fa rarafan’ny delestazy. Ary hataontsika amin’ny anaran’ny harenantsika nahoron’izy mianakavy, hataontsika amin’ny anaran’ireo fahadisoam-panantenantsika niandrandra Miami SY hoe ho lasa lohany aty Afrika isika. Vary hoe dimanjato ny kilao. Indrindra amin’ny anaran’ny DEMOKRASIA sy ny MANGARAHARA, HENJANO NY HETRA NA NY FEHIKIBO RY MALAGASY iray manontolo, fa tonga eo amin’ny non retour isika izao , io fa EFA nijabaka RAJOELINA.

GNVV: Ka inona no vahaolana amin’izao krizy politika eto Madagasikara izao?

KG: Aleo haverintsika indray NY firaisankina taloha, KA samy hisotro NY alenko ho maty isika, samy nohosoran-dreniny menaka rangahy a! Tsy havelantsika ho irery kosa ireo ekipa miaramanonja fa isika no herin´izy ireo. Nety be ilay barrage isaky NY quartier tamin’ny 2002 a! Amin’ity hatao mafimafy NY hetsika, fa IREO tsy maintsy hitsipatsipaka fa izao: aoka hihaino miaramanonja hatrany! efa nekentsika ireo hitarika antsika, ka aoka tsy hisy hihoa-pefy, tandremo voatoraky ny voninkazo blablabla any ambadika any, ka kivy eo. Del kely sy ry Maitre Hanitra ihany no henoina, fa vatolampy ampy handihizany ireo. Tsy ampahafirin’ny omby niandrasana io e!