Mpivarotra mitondra kalesa – Mitsipaka ny tsy famelana azy ireo hiasa

Ny hetsiky ny mpivarotra ambony kalesa omaly.

Aly

Mitsipaka ny tsy famelana azy ireo hivarotra ireo mpivarotra mitondra kalesa eto an-drenivohitra. Maro tokoa izy ireo no manao io asa io: mivarotra akondro, mivarotra glasy, mandafo voankazo isan-karazany sy legioma,…

Nanao fihetsiketsehena tetsy Namontana ao amin’ny Boriboritany faha-4 eto an-drenivohitra ireo mpivarotra ambony kalesa ireo omaly. Tsy manaiky ny fanapahan-kevitry ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra (CUA), mandrara fivarotana ambony kalesa ireto sokajina mpivarotra ireto.

Araka ny tabataba sy antsoantso nataony:” avelao izahay mba hitady, io no hamelomanay ny vady aman-janaka”, hoy izy ireo.