Fitsangatsanganana teny Imerinkasinina – Nanome fanampiana 700 euros ny RMDM Diaspora La Réunion

Ireo anisan’ny mpitarika ny RMDM Diaspora La Réunion.

Isambilo

Maro ireo malala-tanana nanampy, tamin’ny hetsika fitsangatsanganana, nokarakarain’ny Miara-manonja teny Imerinkasinina Antananarivo Avaradrano ny sabotsy teo iny, na ny teto an-toerana izany, na ny avy any ivelany. Tao koa ireo antoko politika sy mpanao politika, ny fikambanana samihafa, ny olon-tsotra,… dia samy nitondra ny anjara birikiny nahatontosana iny hetsika lehibe iny. Fanampiana izay nentina nanampy tamin’ny fitaterana, teo koa ny sakafo maivana fanampiny, ho an’ireo mpitsangatsangana, sy izay mety ho fandaniana nataon’ny mpikarakara nandritra iny andro sabotsy iny.

Anisan’ny nitondra ny anjara birikiny tamin’iny hetsika fialamboly teny Imerinkasinina iny ny RMDM Diaspora atsy amin’ny Nosy La Réunion, nanome vola mitentina 700 euros, na 3 tapitrisa Ar teo izy ireo nandritra izany. Miara-manonja amin’ny aty an-tanindrazana hatrany koa ireo Malagasy atsy amin’ity Nosy rahavavy ity. Nankasitraka izao fanampiana izao ny mpikarakara.