Miara-manonja – Fitakiana tsy misy hatakandro – ULTIMATUM

Ny Valosoa

48 ora no nomen’ny mpanohitra an’ireo tomponandraikim-panjakana amin’ ireto fitakiana telo ireto. Tapitra amin’ny Talata 9 febroary 12 ora alina izany fe-potoana izany.

Voalohany

Takiana ny fanalàna ireo mpitandro filaminana manodidina ny trano fonenan’ny filoha Marc Ravalomanana.

Zava-misy: androany faha 8 febroary 2021 maraina dia mbola eo ihany izy ireo.

Faharoa

Takiana ny amerenana MBS TV ao anaty ny tambazotra fahitalavitra mandeha amin’ny alalan’ny Startimes, Parabole, Canal+.

Zava-misy: Natao izany mba tsy hahazoan’ireo avy amin’ny faritra intsony ny fandaharana Miara-manonja. Ny ministry ny serasera, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, no nanampatra fahefana ka nanery ny ANRCM (Autorité Nationale de Régulation de la Communication Médiatisée) hanapaka ny MBS TV tao anaty Startimes, Parabole, Canal+, tao an-damosin’ny ministry ny fitsaràna, zanaka ambinin’i Lalatiana, izay tsy nahalala na inona na inona fa tany Mahajanga. Soritana fa ny ANRCM dia eo ambanin’ny fiadidian’ny ministry ny fitsaràna.

Fahatelo

Takiana ny famoahana ireo fiara fitaterana nitondra mpitsangantsangana ho eny Imerinkasinina ny sabotsy 6 febroary teo, ka nogihazana tsy misy fanazavàna eny amin’ny ‘fourrière’.