RMDM sy Vondrona Panorama Mahajanga – Hirohotra hitsangatsangana eny Imerinkasinina koa

Ireo mpitarika ny RMDM, sy ny Vondrona Panorama, any amin’ny Faritanin’i Mahajanga.

Isambilo

Hirohotra hitsangatsangana eny Imerinkasinina, ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano koa anio, ny RMDM sy ny avy amin’ny vondrona Panorama avy any amin’ny Faritanin’i Mahajanga, mitarika an’izy ireo amin’izany ny filohan’ny RMDM Faritanin’i Mahajanga, Andriamatoa Achim Kely, na Aimé Tony Youssouf, sy ny avy amin’ny vondrona Panorama, ny senateran’i Madagasikaara teo aloha Jeanson.

Nahatonga solontena amin’izao hetsika karakarain’ny Miara-manonja izao ireo faritra 4 mandrafitra ny Faritanin’i Mahajanga dia Sofia, Boeny, Betsiboka ary Melaky. Mitarika ny solontena avy any Sofia : Biteny Clermont ; ny avy any Betsiboka : Rémi ; ny avy any Melaky : Vonjy ; ary ny mpitarika ny avy any Boeny: Sidy.

Ny alakamisy teo izy ireo sy ny delegasiona tarihany, izay ahitana olona miisa 40 eo, no efa tonga teto an-drenivohitra, vonona hanatevin-daharana ny fitsangatsanganana, hetsi-panoherana ataon’ny mpanohitra.