MANENJIKA SY MANARATSY F’EFA TENA LANY VATSY ?

6 Febroary 2021 - Mpitsangantangana Sasara ry mpitondra mbola handrava sy hisakana

Ny manaratsy anay mpanohitra, izay no sisa fara hery
F’efa tsisy tsy mipoitra ny halatra sy ny hagegena?
Raha izaho no toa anareo dia marina tsy aleoko miery
Ry mpibizina andramena sy mpanondram-bolamena!

Dia adala ve ny gasy sa dia mbola hokilasiana
Ho tena bado sady vendrana ka ho mora ambakaina?
Antsokosoko hoe ny sidina? Izay no aely sy tsindriana
Ry olo-ngeza, be galona, mihevi-tena ho lalin-tsaina?

Dia hiteny indray ‘nareo fa tsy hanana antra, tsy hitsitsy,
N’iza diso, n’iza meloka, eny na mpiray antoko?
Nefa avy eo hidradradradra fa hoe “matoatoa” mihitsy
Ilay nanondram-bolamena sy namoaka antsokosoko?

Aza tia ny manabado na koa miezaka hanafoka
Anay vahoaka izay nijaly tamin’iny lalana iny,
F’izahay dia leo mpitondra, dedaka ary koa tia doka,
Ka ny hanaisotra azy ireo no tanjonay ankehitriny!

Hery maro samihafa no efa miaraka manonja,
Ka mivadi-po tanteraka ianareo ry mpiombon-dakana?
Ny firaisanay toy izao dia manan-kevitra mafonja,
Ka sasara ry mpitondra mbola handrava sy hisakana!

DADAN’i ZINA (29-01-21)