EDITO 6 Febroary – Tsy ho modely tsara aty Afrika i Madagasikara

Sôh’son

Fitenin’i Andry Rajoelina matetika ny amin’ny hoe: ato anaty fotoana fohy dia hisandratra i Madagasikara ary hiavaka, sy ho môdely aty amin’ny kaontinanta afrikana. Natao angoan-tenda tao anatin’izany ny fanindrahindrana ny programa mampandry adrisa fotsiny ihany. “Ny tranom-pody no vitan’ny vava”, hoy ny fitenenana.

Ity fitondrana ity raha ny hita tato anatin’ny roa taona dia mpitaribato vilam-bava. Porofon’izany, ohatra iray lehibe ny fampanantenana poak’aty tany am-piandohana ny amin’ny vidim-bary sy menaka hoe atao mora. Iaraha-mahita tsara anefa ny vidin-tsakafo filana fototry ny Malagasy amin’izao fotoana izao.

Hita miroso ary tsy miahotra amin’ny famoretana ny fitondrana ankehitriny, manoloana ny vaky bantsilana sy ny firaisankinan’ny mpanohitra. Nahamenatra mihitsy eo anatrehan’ny firenena maneran-tany aza iny filazana, fa mila manao fangatahana sy maka alalana any amin’ny prefektiora ireo mpanohitra hitsangatsangana. Fanalam-baraka ny firenena mihitsy aza izany satria ihomehezan’ny any ivelany izany fanapahan-kevitra izany. Maneho miharihary ny tsy fananana traikefa sy tsy fahaizana mitondra firenena mihitsy izany.

Tsy i Madagasikara velively no ho môdely aty Afrika raha amin’ny lafiny demôkrasia, raha ny toe-javamisy eto amin’ny firenena ataon’izao fitondrana izao. Miharihary izany na amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny filohan’ny Repoblika sy ny governemanta, na ny miseho eny anivon’ireo andrim-panjakana samihafa. Ary mbola porofo mitohoka amin’ny tendany ny nanaovana ireo mpitsabo mpanampy tamin’ity herinandro ity, sy ny fihetsiny na ankolaka na mivantana tamin’ireo mpanohitra. Hihazakazaka hitady ny rambony indray amin’ny laharana firenena aty Afrika tahaka ny amin’ny tranga hafa i Madagasikara. Izany no anaovan’izao fitondrana izao ny firenena, ny vahoaka Malagasy.

Nisy vitsivitsy ireo firenena taty Afrika no nahita fomba fiasa tsara nandritry ny fiatrehany ny firongatry ny valanaretina covid-19 tany aminy. Fomba fiasa tsara nanamaivana ny krizy ara-tsosialin’ny vahoakany. Nahasoa ny mponina tao amin’izy ireo izany ary nisitraka avokoa ny olona. Tsy izany anefa no nisy teto amin’ny firenena, fa niharihary ny zara vilana, ny fanilihana sy tsy fijerena na niheverana na dia kely aza ireo ampahana vahoaka Malagasy. Lasa nampitriatra ny firaisankinam-piarahamonina aza ny vokany. Tsy fahombiazana izany eo amin’ny seha-pitantanana ny firenena.
Mazava loatra, fa ity firenena ity, ny vahoaka Malagasy eto aminy dia raisin’ny fitondrana mandrakariva ho toy ny zaza na bado ka azo entina amin’izay fomba fiasa tsy mahomby sy tsy mifanaraka amin’ny soatoavina maha Malagasy feno fahendrena. Hany ka tsy afaka ary ho mena-mitaha amin’ny firenen-kafa ny firenena ankehitriny. Izany no manjo ny firenena. Mba nofinofy ihany ny azy ny hoe ho môdely tsara, fa lavitry ny afo ny kitay.