HITSANGANTSANGANA IZAHAY

Hitsangantsangana izahay dia indreo ‘nareo fa mikorapaka?
Dia ahoana indray ny tetika sy ny zava-notinapaka?
Moa ve hevi-dratsy hatrany no mibahana ao an-tsaina,
Ka ‘zay mihetsika rehetra dia hazaina sy gadraina?

Hitsangantsangana izahay dia indreo ‘nareo efa mivoraka?
Avy dia manangom-bato sady miomana hitoraka?
Iza indray no karamaina mba higafy sy hirotaka?
Dia tsy maintsy ny mpanohitra no avy eo hosoram-potaka?

Hitsangantsangana izahay dia indreo ‘nareo fa misaritaka?
Ary tapitra atao ny lainga sy ny fitapitaka?
Mbola mihevitra hatrany ny hanabado ireo vahoaka,
Sy hividy ireo mahantra amin’ny vary iray kapoaka?

Hitsangantsangana izahay dia misy indray ny teti-dratsy
Ny hanafoanana an’izany f’efa tena lany vatsy?
Ny fiarahanay manonja, tena tsy hitony anefa,
K’avelao ny tetikady ambany sy mirefarefa!

TSIMIMALO (02-02-21)