Raharaha volamena 73,5kg – Miampy vola “36 millions d’euros” no nentin’ireo telo lahy tany Afrika Atsimo

Nandefa onja indray androany ny tao amin’ny fandaharana Miara-manonja mikasika ny raharaha volamena 73,5 kilao. Fantatra izao fa vola “36 millions d’euros” no tratra niaraka tamin’ireo volamena 73,5 kilao naondran’ireo telo lahy antsokosoko tany Afrika Atsimo ny andron’ny 31 desambra 2020. Dia lasa ny saina fa entana sady mavesatra no sarotra afenina ve dia tsy nisy nahita na inona na inona ny ao amin’ny sampan-draharahan’ny ladoany sy ny orinasa Amarante misahana ny fiarovana ny seranampiaramanidina? Raha bileta 500€ (izay tsy atontan’ny banky intsony nanomboka ny taona 2019) no nampiasaina, dia milanja 79 kilao ary mahafeno kitapo roa (80x30x20cm). Izany vola “36 millions d’euros” izany dia mahatratra avo folo heny ny vidin’ireo volamena 73,5 kilao raha raisina 50€ ny grama.

Raharaha goavana tahaka izany anefa dia nahitàn’ny jeneraly Ravalomanana, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, sy ny tale jeneralin’ny ladoany handaingana. Tsy ny fanampiana ny firenena Afrika Atsimo àry ve no tokony ho ataon’izy ireo hikatsahana ny marina raha toa ka tena madio ireto tompon’andraikitra ireto. Fa iza loatra no arovana? Fa izao loatra no tompon’ireo vola sy volamena ireo?

Nahoana koa ny Fanjakana no nanakarama mpisolovava hiaro ireo mpanondrana volamena voatazona any Afrika Atsimo. Kanefa ireo gadraina any Tsiafahy sady tsy mbola nandalo fitsaràna no ampiarahana amin’ireo gadra nanao heloka be vava.

“Ao raha” hoy ny fiteny. Ny praiministra moa tsy andrenesampeo fa mangina tanteraka mikasika io raharaha io. Toe-javatra tsy fahita nandritra ny 60 taona no vitan’ity fitondrana Rajoelina ity tao anay roa taona monja, ary tanteraka mihitsy ny tenin’ny filoha fa hitodika eto amintsika ny mason’izao tontolo izao. Tsy ny fitohizan’ny raharam-pirenena no mampalaza an’ity fitondrana ity fa fitohizan’ny trafika. Andramena, sokatra, volamena, vola,…

Miha-mibaribary ary miaraka amina porofo minitsy ny maha-jiolahimboto ity fitondràna ity: mangalatra, mandainga, manao kolikoly, manabotry vahoaka, mankahala, mangeja amin’ny fahafahana miteny sy mivezivezy. Efa eto ambany maso izao ny jadona na ny “dictature”, izay tsy mba misy fotopisainana akory fa miorina eo ambonin’ny saina ‘mafia’.

Efa miha-mahazo lokom-boasary ny manga, ary efa toa hilatsaka ho azy tsy ho ela!

‘https://youtu.be/z5hokzmnVUY?t=4358