Raharaham-pirenena – Tsy noraharahian’ny olona ny fifidianana loholona

Andry Tsiavalona

Tontosa omaly ny fifidianana loholona nataon’ireo mpifidy vaventy, tsy ilaina asiana resaka betsaka izay mety ho vokatr’izany satria ny kandidà rehetra dia mpikatroka ao amin’ny antoko politikan’ny eo amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao.

Amin’ny ankapobeny dia tsy noraharahian’ny olona ity fifidianana Loholona ity na tamin’ny fampielezan-kevitra tamin’izany, na ny fifidianana natao omaly. Efa fantatra fa ho maro an’isa na ho zato isan-jaton’ny loholona dia ho IRD, satria ny ao amin’ny antoko mpanohitra sy ireo miaradia aminy dia tsy nandray anjara tamin’ity fifidianana ity (sady tsy nandrotsaka kandidà no tsy nifidy ihany koa ny mpifidy vaventy avy ao). Na izany na tsy izany dia tsy atao mahagaga intsony ireo miseho ho lalin-tsaina noho ny hafa na voavidy na matahotra ny ho soloin’ny manam-pahefana, ka maningana tsy manaraka ny fitsipi-pifehezan’ny antoko nahavoafidy azy.

Izao vao tena mazava ny tetikadin-dRajoelina Andry raha nilaza fa ho foanana ny Antenimierandoholona. Tsy noho ny maha « budgetivore » azy fa tiany ho maro an’isa ny antokony any amin’ireo andrim-panjakana. Sivifolo ny isan’ny mpikambana tao amin’io andrim-panjakana io tamin’ny tetezamita (CST) kanefa dia navela niasa malalaka satria maro an’isa ny Mapar tao. Na teny amin’ny CT, Antenimieram-pirenena tamin’izany.

Niaraha-nahalala fa nivoaka ny lapa hatrany ny mpikambana tao amin’ny antokon-dRavalomanana Marc rehefa nisy lalàna nofidiana kanefa tsy nifanaraka tamin’ny tombontsoam-bahoaka izany lalàna izany. Mitovy amin’izany no niseho tamin’ny nandaniana ny tetibolam-panjakana taona 2021 farany teo. Nogejaina ny tetibolan’ny Antenimierandoholona entiny miasa amin’izao fotoana izao. Nolazain’ny minisitry ny vola sy toekarena, fa nahodina nanampiana ny mpiray Firenena tratry ny kere any atsimo ny vola. Ny teny amin’ny Antenimierampirenena kosa mirazotra amin’izany dia nomena folo miliara ariary izay nolazaina, fa tsy ampy entina mamita ny fivoriana farany amin’ity taona ity. Tsy mbola fantatra moa ny tetibola taona 2021 ho an’ity Antenimierandoholona ity kanefa dia efa manambara ny mpiserasera manohana ny fitondrana, fa “kihon-dàlana” lehibe ho an’ny Firenena ny latsabato hataon’ny mpifidy vaventy omaly.

Maro anefa ny tranga manahirana ny saina satria araka ny vaovao dia misy ny mpifidy mitaky tambiny amin’ny vato harotsany izay mitovy tamin’ny fotoana nampalaza ny resaka “malette”. Efa mazava ihany koa fa mizotra any amin’ny làlana tian’ny mpitondra hizoran’ny Firenena ny vokatry ny fifidianana satria na maro aza ny fanakianana sy fitoriana napetraky fikambanana maro samy hafa momba ny fandikan-dalàna nataon’ny fitondrana kanefa dia nolavin’ny fitsarana avokoa izy ireny. Tsy misy mihitsy ny fisaraham-pahefana (séparation des pouvoirs), fa manaraka fotsiny izay teny midina na baiko omen’ny filohan’ny fahefana mpanatanteraka ny fahefana mpitsara sy ny fahefana mpanao lalàna.

Etsy ankilany dia tsy miraharaha izay politikam-pitantanana ny Firenena intsony ny maro an’isa amin’ny gasy fa variana sy difotra ao anatin’ny politikam-piainany manokana dia ny fitadiavana izay harapany anio, izay enti-manana amin’ny fanabeazana ny zanany sy ny fanefàna ny saran’ny jiro sy rano sy hofan-trano tsy maintsy aloa isam-bolana.

Fetin’ny faran’ny taona izao dia tambatambazana amin’ny sakafo iray lovia isan’andro indray ny mponina, asa raha manerana ny Nosy no hisy izany hetsika izany na an-tanàn-dehibe ihany.

Mampanontany tena ihany koa ny fahanginan’ireo ray amandreny ara-panahy kanefa ondry tandremany ny ankamaroan’ireo manampahefana sy filohana Andrim-panjakana ireo. “Ny vavaka manova zavatra” kanefa raha tsy ny tsirairay no miaiky ny fahotany dia tsy hanasitrana ny taniny mihitsy Andriamanitra.

Na izany na tsy izany dia tsy ny politisiana na ny fahaizany politika na ny fananany mpiaro sivily na miaramila mihitsy no mampilamina ny tany fa ny Malagasy no mbola Hendry sy tsy tia korontana kanefa “raha noana hono ny kibo mivezivezy ny fanahy”, ka mety hivadika onja mahery vaika tsy hay tohaina ilay faharetampery ao aminy.