EDITO 10 Oktobra – Raharaham-pirenena – Manaraka ny mari-panan’ny toetr’andro

Sôh’son

Misamboaravoara sy manaraka ny mari-panan’ny toetr’andro ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Maneho izany, ohatra, ny raharaha eo anivon’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, indrindra izay nitranga tamin’ny raharaha ny alakamisy lasa teo.

Nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao ny zava-nitranga rehefa nambaran’ireo mpanolotsaina sasany tamin’ny haino aman-jery ny nanjo azy ireo sy ny toe-draharaha nitranga. Rehefa bangoina miainga avy nambaran’izy ireo ny fandehan’ny raharaha, dia azo ambara ho tsy mitombina amin’ny tokony ho izy ny fanapahan-kevitra natao tao.

Ny fanapahan-kevitra raisina eto amin’ny firenena amin’ny fitantanana rehefa tsy iarahan’ny besinimaro mankato ary raha misy manohitra sy miteraka adihevitra be eo anivon’ny fiaraha-monina dia azo ambara ho tsy mitombina izany ilay natao. Tsy ny tranga amin’ny zava-misy eo amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivohitra ihany no ahitàna izany, fa na eo amin’ny fitanatanm-pirenena ankapobeny ihany koa. Ohatra amin’ireny ny fikasana atao amin’ireo tetikasa samihafa, izay nisongadina amin’izany ny Tanamasoandro saika nokasaina napetraka teny Ambohitrimanjaka. Dia ireny niaraha-nahita sy nandre ireny ny fanoherana nataon’ny sokajin’olom-pirenena maro samihafa nanerana ny Nosy mihitsy. Tsy nitombina ilay tetikasa. Eo ihany koa ny fikasana hanangana kianja mampieritreritra fatratra eny amin’ny lapan’i Manjakamiadana. Dia mbola toy izany koa ny fanoherana sy adihevitra be nipoitra teto amin’ny firenena. Ary mbola mampieritreritra ny mpanara-baovao sy olom-pirenena maro ny zava-nisy tamin’ny fihetsiky ny filohan’ny komity siantifika momba ny Rova rehefa avy nihaona tamin’ny filohan’ny Repoblika teny amin’ny lapan’Iavoloha. Tsy milamina ny fipetraky ny raharaha, izay midika fa tsy mitombina.

Tsy eo amin’ireo ihany, fa nisongadina ihany koa ny raharaha ara-politika, indrindra eo amin’izao adihevitra be tato ho ato izao momba ny amin’ny fifidianana ireo mpikambana eo anivon’ny Antenimierandoholona. Na dia ny isa hofidiana fotsiny aza dia efa miteraka adihevitra be eo amin’ny maro. Vao mainka nafana ny adihevitra sy fanoherana amin’ny hanatanterahana izany noho tsy fahafenoan’ny isan’ireo mpifidy lehibe. Mety hinia hikimpy eo anoloan’izany ve ny Fitsarana Avo momba ny lalampanorenana (HCC)? Izy ilay nivoahan’ny teny lasa nalaza hoe “azo raisina fa tsy mitombina”.

Misy hatrany ny raharaha kasaina tanterahina tsy mitombina ato anatin’izao fitondrana izao. Tsaroana hatrany, ho an’ny olom-pirenena tia fahamarinana, fa efa tsy mitombina hatrany am-boalohany, ny fototra ipetrahan’izao fitondrana izao. Mbola adihevitra mitohy hatrany na ezahina saronana aza ny amin’izany.