CSB II Ambohitrimanjaka – Miroso ny asa fanamboarana ny trano ho an’ny mpiteraka

Ny fandrosoan’ny asa amin’ny fanamboarana trano fanampiny ho an’ny mpiteraka, ao amin’ny CSB II Ambohitrimanjaka.

Helisoa

Efa miroso araka ny tokony ho izy ny asa fanamboaran’ny fikambanana Soleil Marmailles avy atsy amin’ny Nosy La Reunion, tarihin’i Dokotera Tiana sy Sylvie Razafintsalama mivady, ny trano vaovao fanampiny ho fandraisana mpiteraka ao amin’ny CSBII Ambohitrimanjaka, distrikan’Ambohidratrimo. Ambohitrimanjaka izay tanindrazana niavian’izy ireo ihany.

Raha ny resaka nifanaovana tamin’ny tompon’andraikitra amin’ny fanamboarana ny trano eny an-toerana, nambaran’Andriamatoa Rolland dia eo amin’ny 20 andro eo ho eo dia ho vita tanteraka ny asa. Fa ny olana kely hoy izy dia ny tsy fahampian’ny rano ao amin’ny CSB, hany ka lasa manano sarotra kely ny fanatontosàna ny asa.

Marihina fa ny fikambanana Soleil Marmailles dia fikambanana mpanao asa soa, tsy hijanona ao Ambohitrimanjaka ny asa toy izao hoy Sylvie Razafintsalama, fa hisy ny kaominina hafa hiasan’izy ireo ihany koa toy ny ao Talatamaty sy any amin’ny toeran-kafa.

(Sary: Ny fandrosoan’ny asa amin’ny fanamboarana trano fanampiny ho an’ny mpiteraka, ao amin’ny CSB II Ambohitrimanjaka.)