29 Septambra – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao.

Toa manomboka misitrika ve Rajoelina ?ndriiii !! Sao mba afaka amin’ity toetra rainidedaka ity ny filou mamimbahoaka rey olona ?? fotoana tsy misy toy izany ny kabary atao any @ ONU nefa dia ingahy Ntsay no natao nikabary!

Inona loatra no tena antony ??? sao matahotra ny hiteniteny foana eo ndray ve ny anao lahy ??? toy ilay hoe ny fahantrana dia droit fondamental kkkkkkk !!! Tsara aloha rehefa mihaiky ny hadondronana e !!! manalabaraka ny gasy fotsiny !!taloha ireny nisisika ery na dia nahazo ny « sans qualité » aza !!

Sa matahotra ny fanontaniana mety hipetraka hoe natanon’ialahy aiza ny vola 600 million $ fanomezana hitantanana ny covid ?? na koa hoe ialahy toa miha-manankarena nividy Cadillac sy jet privé nefa ny firenenareo miha-mahantra velona tsy toy ny any Rwanda sns?…
Indrindra koa matahotra ny lainga rehetra sy ny fitantanana tsy mahomby satria lasa tsy any @ laharampahamehana ny vaindohan-draharaha!

Ny tena hifezahany ngamba aloha dia ilay arnaque du siècle momba ny Cvo e !!! hanavotra an’i Afrika e! hanavotra an’izao tontolo izao e! ho tafita isika eee! hampindrana an’i Comores e! tsy te hifanena amin’ny filohan’i Comores ngamba i kama día mody hoe tssss!

Ny vava no tsy hatao be re olona … ary ny teny toy ny salaka ka ny tena ihany no fatorany !! efa manomboka misitri-belona io ny anareo sady efa sirika mitady ho any @ didi-jadona.

Kelly Géant Rasoamiaramanana
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao