CENI, Fitsarana ary ny HCC – Kofehy manara-panjaitra manaraka ny baikon’ny fitondrana, hoy ny depiote Fetra

Ny depiote Fetra voafidy tao amin’ny Boriboritany faha-5 Antananarivo

Franck Razakambelo

Tsy manana eritreritra hanakorontana ny firenena ny vondron’ny mpanohitra, fa manana adidy hilaza ny fandikan-dalàna izay ataon’ny Fitondram-panjakana, hoy ny Solombavambahoaka Razafitsimialona Fetra, voafidy avy amin’ny antoko Tim tao Antananarivo Boriboritany faha 5.

Nilaza ity farany fa manararaotra ny fahasahiranana sy ny tsy fahalalan’ny vahoaka ny Praiminisitra sy ny Ceni ary ny Hcc, izay manery ny fanatanterahana ny fifidianana Loholona, izay kasaina hatao ny 11 Desambra 2020 ho avy izao, kanefa tsy feno akory ny « Collège électoral », izany hoe mbola tsy voavahan’ny Ceni akory ireo raharaham-pifidianana Kaominaly miisa 24 eny amin’ny fitsarana misahana ny Raharaham-panjakana, izay tokony hameno ny isan’ny Ben’ny tanàna sy ny Mpanolotsain’ny tanàna hifidy ny Loholona.

Nanohy fanazavana ny Solombavambahoaka Razafitsimialona Fetra, fa terena fotsiny amin’izao ny fifidianana kanefa mbola tsy voavaha ny raharaha « Doublons » manoloana ny lisi-pifidianana ary manampy trotraka ny fandikan-dalàna ataon’ny mpitondra, hoy ity olom-boafidy ity, ny voalazan’ny Lalam-panorenana dia tsy azo atao ny manatanteraka fifidianana ao anatin’ny fahavaratra. Nanamafy ity Solombavambahoaka voafidy tao amin’nyBoriboritany faha 5 ity, fa mbola miziriziry hanatanteraka ny fifidianana hatrany ny Fitondram-panjakana na dia efa nampiaka-peo aza ireo Mpanao politika, ny Fiarahamonim-pirenena sy ny olon-tsotra ary ny mampalahelo, hoy ity Solombavambahoaka ity, dia kofehy manara-panjaitra manaraka ny baikon’ny Fitondrana ny Hcc sy ny Fitsarana ary ny Ceni.

Nilaza i Razafitsimialona Fetra, fa tsy azo ekena ny fandrebirebena ny vahoaka amin’ny alalan’ny fanampiana kely kanefa dia tsy vitan’ny fitondram-panjakana akory ireo fandaharan’asa nampanantenaina nandritra ny fampielezan-kevitra ary ny tena mampalahelo, hoy ity mpanao politika ity, miampy hatrany ny fampanantena naataon’ny Filoham-pirenena miaraka amin’ny tetiandro kanefa tsy misy zava-bita mivaingana eto amin’ny firenena hatramin’izao.

Nanamafy ity Solombavambahoaka ity, fa tsy hitsahatra sy hanentana ary hampahafantatra ny vahoaka mikasika ny zava-misy marina eto amin’ny firenena ny mpanohitra, na dia tsy mahay lalàna ny ankamaroan’ny Malagasy, ary anjaran’ny Parlementera ny manara-maso ny asan’ny Mpanatanteraka, fa tsy misy zavatra mandeha mihitsy eto amin’ny firenena manomboka any amin’ny rafitra ambany, ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony indrindra. Marihina fa mitombo isan’andro ireo olona sy antoko politika manohana ny hetsiky ny Mpanohitra miaraka amin’ny vondrona Panorama amin’izao fotoana izao ary betsaka amin’ireo olona nanohana ny fitondranaaza no miara-dia amin’ny mpanohitra satria efa tsy azo leferina intsony ny zavatra ataon’ny fitondram-panjakana.

(Sary: Ny depiote Fetra voafidy tao amin’ny Boriboritany faha-5 Antananarivo)