Tsehenoarisoa Rabenja – Hoesorina Rivo Rakotovao, hosoloina olon’ny fitondrana

Tsehenoarisoa Rabenja

Nangonin’i Niaina

Mitondra ny fahitany ny paikady tokony hananana amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka, ny mpanao politika sady administratera sivily Tsehenoarisoa Rabenja. Mila mailo isika hoy izy. Efa tena ao anatin’ny fanomanana ny fifidianana filoham-pirenena manaraka, ny antoko mihevitra hananana ny fahafahana handrotsaka kandidà ho amin’izany.

Ny rafitra apetraky ny mpanohitra amin’izao dia tena saro-pady, hoy Tsehenoarisoa Rabenja, izay talen’ny fampielezan-kevitry ny filoha Marc Ravalomanana koa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, tamin’ny taona 2018. Lalana iray ho any amin’ny fahafahana manetsika ny base na ny fototra io. Fantatry ny eo amin’ny fitondrana tsara ny zavatra mety ho aterik’izany raha mitohy, ka mahazo faka io rafitra io. Tena fantany fa sady mobilisateur, na manetsika io, no mampivondrona ny hery hiatrika fahavalo iray ihany koa, fa tsy hery miparitaka.

Jereo tsara hoy izy ny ezaka fandravana io rafitra io ataon’ny fitondrana: tsy afaka managadra ny filoha RAVALOMANANA izy ireo, fa tsy voafehiny ny akon’izany eo amin’ny iraisam-pirenena: lasa voakitika daholo na ny financement na famatsiam-bola, ny composition na ny firafitr’ireo andrim-panjakana miahy fifidianana. Ny ataon’ny fitondrana noho izany, manakatona ny orinasan-dRavalomanana, mba hampiozongozona ny fahatapahan-keviny. Toa milaza hoe “tongava miresaka dia sokafantsika ireo e !” Mamorona mouvements na hetsika mitovy anarana amin’ny RDMD koa izy ireo hampikorontana ny sain’ny olon-tsotra. Miaraka amin’ny infiltrations amin’ireny hetsika toy ny Kmmr: izay mitondra ny anarany. Ny fanampena-maso ny fampanantenana tamin’ny fifidianana, ka tsy natomboka akory ny maro. Izay io Tsinjo sy Tosika lavareny eto Antananarivo io nefa ny faritra hafa tsy mahazo. Izay io fitsidiham-paritra anaty famehana ara-pahasalamana ataon’ny filoha Andry Rajoelina io.

Fa ny ngeza indrindra dia io fifidianana senatera tsy manara-dalàna io. Tadidio fa ny filohan’ny Antenimierandoholona no misolo toerana ny Filohan’ny Repoblika raha mirotsaka kandidà izy, ary hirotsaka ilay zalahy io. Raha voaendaka amin’ny toerany i Rakotovao Rivo, dia manantena izy fa olona avy ao amin’ny antokon’ny fitondrana no haka io seza io. Milamina ny paik’ady fa ho azon’io mpisolo-toerana io hatao ny manome baiko mihoa-pefy, fa tsy mibedy ry “tsymitombona “. Koa samia mailo ho ihany ity mpanao politika ity.