Olom-boafidy TIM – Sahy hilaza ny tsy mety ataon’ny mpitondra, hoy Ravalo

Isambilo

Nanao fivoriambe tetsy amin’ny foiben-toerany Bel’Air afak’omaly, ireo olom-boafidy avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), izay tratra antso manerana an’i Madagasikara. Olom-boafidy, izay nahitana senateran’i Madagasikara, depiote, ben’ny tanàna, mpanolotsaina monisipaly sy kaominaly. Nitarika ny fotoana tamin’izany ny filoha nasionalin’ny antoko Marc Ravalomanana sy ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro.

Toromarika ho an’ny olom-boafidy TIM mahakasika ny andraikiny sy ny asa tokony ho sahaniny, na rôle et responsabilité, no anisan’ny natao tamin’izany, teo koa ny fandinihana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, indrindra ny mahakasika ny fanetsehana indray ity antoko ity, na ny antsoina hoe redynamisation.

Ny kinendry dia fametrahana ireo tanjona sy fomba fiasan’ny olom-boafidy rehetra lany tamin’ny anaran’ny antoko, araka ny nambaran’ny filoha nasionaly Marc Ravalomanana. Eo koa ny fanetsehana ireo mpikambana any amin’ny fototra, mba hanomezana fanantenana azy ireo indray amin’izao fotoana sarotra diavin’ny firenena izao. Hanetsika ny antoko any amin’ny faritra sy kaominina rehetra.

Tamin’izany no namporisihan’ny filoha Marc Ravalomanana ireo olom-boafidy TIM rehetra, na dia sarotra aza ny toerana misy azy ireo noho ny antsojay samy hafa mety hahazo azy ataon’ny fitondrana. Nametraka izy, fa samy manana ny maha-izy azy ny tsirairay eo amin’ny andraikitra sahaniny. Nanentana ireo mpikambana i Dada, fa ilaina ny manaja ny fitsipi-pifehezan’ny antoko, na disciplines de parti eo amin’izay rehetra atao. Ny tombontsoan’ny vahoaka nifidy azy ireo no tanjona, fa tsy ny tombontsoan’ny tenany manokana, satria izay no mampivadibadika ny mpanao politika. Manaja tsara ny ethique, na ny fitsipi-pitondran-tena eo amin’izay asa sy fanapahan-kevitra raisina. Noho izany dia tsy tokony ho mora mivadika antoko mihitsy. Ilaina ihany koa ny miaro ny crédibilité, na ny maha azo antoka ny antoko ary mametraka ihany koa ny crédibilité ny tsirairay. Izay ihany hoy izy no antoky ny fitokisan’ny vahoaka. Noho izany, ilaina ny mametraka izay fitokisan’ny vahoaka izay. Tsy voavidy vola izany, fa ilaina kolokoloina. Ilaina ny milaza ny marina hatrany ary manana porofo rehefa hilaza zavatra iray, hoy ihany ny filoha nasionalin’ny antoko TIM.

Nohamafisiny, fa antoko mpanohitra ny antoko TIM, noho izany dia ilaina ny manana fahasahiana milaza ireo tsy mety ataon’ny mpitondra any amin’ny kaominina sy ny faritra misy ny tsirairay. Tokony hiteny sy hanao tatitra amin’ny birao politika rehefa misy mahita zavatra tsy mety any amin’ny faritra misy ny olom-boafidy TIM tsirairay any. Miaro sy manaja ny foto-kevitra ijoroan’ny antoko dia fananganana firenena vanona sy mandroso ary firenena hanjakan’ny fahamarinana.

Nambarany tamin’izany koa fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana senateran’i Madagasikara ho avy ny antoko TIM, noho ny tsy maha-ara-dalàna ny fifidianana hatao io. Manaja fitsipika hoy izy Me Hanitra, fa tsy nivadika araka ny voalaza any amin’ny tambazotran-tserasera sosialy. Momba ny raharaha AAA, tsy haha-voakasika azy izany, fa ny mpiasa sy ny tantsaha mpamokatra no ho voa mafy noho izao antsojay ataon’ny fanjakana izao. Mahakasika ny orinasa TIKO, ity orinasa ity aza no mbola manana vola be amin’ny fanjakana hoy izy ary tokony honerana izany araka ny voalaza amin’ny tondrozotra, izay efa lasa lalàna eto amin’ny firenena. Dia avy eo vao mandamina ny kaonty ny orinasa sy ny fanjakana.

Mandainga ihany koa ny Praiministra hoy Dada, fa tsy resaka ara-pahasalamana no nanakatonana ny orinasa AAA, fa resaka hetra, izay tsy mbola tokony ho takiana amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Ny tena marina aza, tokony hisy fanafoanan-tsazy ara-ketra, na amnistie fiscale ho an’ny orinasa rehetra noho ny fiantraikan’ny valanaretina coronavirus izao.