Kajikaky politika – Ny ho avin’ny fitondram-panjakana Rajoelina-Ntsay Christian

Ny Valosoa

Herintaona sy 10 volana izay no nitondra ny tany sy firenena ny Mpitondra ankehitriny. In-droa ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina no niroso tamin’ny « remaniement partiel », na fanovana amin’ny ampahany ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Ankoatra ny fanalana tampoka ireo Minisitra izay nahenoana resabe teo amin’ny fomba nitantanany ny departementa nisy azy, ka tsy maintsy nanesorana azy tamin’ny toerany. Ohatra amin’izany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha izay voarohirohy tamin’ny raharaha « bonbon sucette » 8 miliara ariary.

Ny volana aogositra 2020 teo no nikitika farany ny firafitry ny governemanta ny Filohan’ny Repoblika. Raha niandry fanovana goavana ny mpanara-baovao noho ireo raharaha sy resabe samihafa nahakasika Minisitra maromaro, toy ilay raharaha « écran plat » maha-voasaringotra Minisitra iray sy ny vadiny, sy ilay ady an-tsena teo amin’ny Minisitra vavy iray sy tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fiadidina ny repoblika, momba ny fiainan’izy ireo manokana, dia fahadisom-panantenana no nitranga. Famenoana ny banga sy fanalana ahi-dratsy ihany no natao. Teo ny fanendrena ny tompon’andraikitra voalohan’ny Minisiteran’ny Fanabezam-pirenena izay notantanana vonjimaikan’ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Ny fanendrena Minisitra vaovao be hiandraikitra ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ary ny fanoloana ny Minisitry ny mponina, izay nametra-pialana noho ny antony manokana ara-pianakaviana. Fa ny tena naha be resaka dia ny fanalana ny Minisitry ny Fahasalama-bahoaka ny Pr AHMAD Ahmad, izay tsy ho tantaraina amintsika intsony ny antony.

Raha dinihina lalindalina kokoa ny fomba nandrafetana ireo mpikambana ao amin’ny governamanta NTSAY Christian tany am-boalohany hatramin’izao dia mifono kajikajy politika avo lenta. Hinoana fa samy mahafantatra isika, fa ny Praiministra Ntsay Christian dia olon’ny « communauté internationale ». Talohan’ny nanendrena azy ho eo amin’ny toerana dia nitana andraikitra ambony teo amin’ny sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny asa ingahy Lehiben’ny governemanta. To teny sy manana ny toerana teo amin’ny sehatra nisy azy, ary ananan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fitokisana. Olom-baovao tanteraka teo amin’ny sehatra politika ary tsy mba anisan’ireo mpiaradia amin’ny antokon’ny fitondrana na ireo antoko mpanohana azy. Mazava araka’izany fa natolotry ny fianakaviambe iraisam-pirenena i NTSAY Christian, ary tsy nanam-pidiny fa nanaiky azy ny Filohan’ny Repoblika.

Teo amin’ny fizaran-tsezan’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta vao afaka nametraka ny olony ny Filoham-pirenena. Anisan’ireo tsy maintsy nomena toerana ireo namana akaiky tsy nivadika hatramin’izay. Irma (…) izay mpitarika mafana fo ny antoko TGV tany amin’ny faritra Atsinanana ary nahita fahombiaza hatrany tamin’ny fifidianana, ary anisan’ny namolavola ara-politika na « coach politique » ny ben’ny tanànan’i Toamasina renivohitra amin’izao fotoana, sy ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena avy ao amin’ny faritra Analanjirofo, izay nasolo azy ho Minisitry ny Mponina taty aoriana. TINOKA Roberto, namana sady mpanohana mafana fo ny Filoha mpanorina ny TGV hatramin’izay ary nampiroborobo ny antoko tany amin’ny faritanin’i Toliara. Ankoatra ireo mpiara-mitolona ara-politika dia tsy nanadino ireo mpandraharaha namany sy niara-niasa taminy i Zandry kely, na i Boaikely. Izy ireo no mampiandraiketina ireo departemanta teknika sy iankinan’ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny toy ny sehatry ny fitaterana, ny fambolena sy fiompiana, ny harena ankibon’ny tany, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra sy ny sisa.

Fa nanana ny ekipany ihany koa ny Praiminisitra, mba hananany tanjaka ara-potokevitra any anaty filankevitry ny Minisitra. Nametrahany ny olona ananany fitokisana feno ny Minisiteran’ny vola sy ny fitantanam-bola, mba hahafahany mifehy ny ampihimamba ny volam-bahoaka. Porofon’izany dia efa maro ireo tompon’andraikitra ambony avy amin’ny Minisitera hafa no nanana olana tamin’ity Minisitra tanankavanan’ny Praiminisitra ity : ny fikasana hampiditra mpiasam-panjakana maro tamin’ny fomba tsy ara-drariny, ny fanodinkodinana volam-panjakana sy ny sisa… Ankoatra ireo notendren’ny Filoham-pirenena sy ny avy amin’ny Praiminisitra dia manana anjara amin’ny fizarana seza ihany koa ireo « alliés politiques », na ireo antoko politika tsy nanana ny heriny manokana intsony, ka nivondrona anaty vovonana manohana ny Filoham-pirenena. Anisan’izany ny MMM tarihan’i Hajo ANDRIANAINARIVELO. Izy tenany mihitsy no nisafidy hitana ny andraikitra Minisitry ny Asa vaventy sy ny Fanajariana ny tany, niampy seza iray hafa dia ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena teo aloha sy tompon’andraikitra samihafa eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana samihafa toy ny fitaleavana eo anivon’ny radio sy televiziona Malagasy. Na dia vitsy an’isa aza izy ireo ao anaty governemanta dia heverina fa manana tombon-dahany ny MMM noho ny fananana Solombavambahoaka maromaro ao Tsimbazaza. Ny Freedom tarihan-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy no antoko politika hafa manana solontena ao anaty governemanta. Izy ihany koa dia tsy nanolotra olon-kafa fa ny tenany ihany no nisafidy ny ho Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina. Maivana ihany anefa ny herin’ny antoko tarihany satria tsy misy afatsy ny Solombavambahoakan’i Miarinarivo ihany no olom-boafidy ao aminy. Anisan’ny nanohana fatratra an’i Zandry kely ihany koa ny AVI saingy tsy mba anisan’ireo nifantenanana izay ho Minisitra hatrany am-boalohany, ka hatramin’ny « remaniement » farany teo. Ny AVI anefa dia manana ben’ny tananàna maro sy mpanolotsaina monisipaly maromaro manerana ny nosy.

Manontany angamba ianao mpamaky hoe aiza amin’izany ilay kajikajy politika? Dia ampahafantarina anao ary fa tsy mba anisan’ireo voahozongozona tamin’ny toerany ireo « Alliés politiques » ‘ny TGV na teo aza ny resabe samihafa momba azy ireo, na ihany koa ny tsy fahombiazana teo amin’ny asa nampandraiketina azy ireo. Ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina izay miteraka resabe isak’izay miloa-bava noho ny tsy fahaizana mandanjalanja ny teny havoaka. Toetra izay nanomezan’ny mpikirakira tambazotra sosialy anarambositra azy. Ny Minisitry ny asa vaventy sy ny fanajariana ny tany kosa indray izay sady tsy hita eny amin’ny « chantier » no tsy tazana ihany koa amin’ireo fampielezankevitra ataon’ny Filoham-pirenena hatramin’izao io. Raha samy nanao izay ho hafany ohatra ireo Minisitra « redevables » amin’ny Zandry kely, tamin’ny fisehosehoana nandritra ireny fizarana fanampiana ireny dia tsy mba anisan’ireo nanao izany ingahy mpitarika ny MMM. Raha ny sitrapon’ny mpanapaka dia efa ela no nahilika ireto sakaiza politika ireto satria tsy vitan’ny manimba sary fa mbola midingin-drambo ihany koa. Saingy! hodian-tsy hita aloha izany tao anatin’izay herintaona sy tapany mahery izay satria mbola ilaina faramparany ny « Alliance politique ».

Ho tanterahana tsy ho ela mantsy ny fifidianana loholon’i Madagasikara. Rehefa tsy nahomby ny tetikady nanafoanana ny Antenimierandoholona dia natao amboletra ny fandaniana ilay hitsivolana nampihenana ny isan’ny Loholona izay feno fandikan-dalàna. Atao tery vay manta ihany koa ny hanatontosana ny fifidianana ny 21 desambra 2020 izao, raha ho tanteraka ihany. Hanao izay ho afany ireo kandidà hatolotry ny vondron’antoko mpanohana ny fitondrana, ka ho azon’izy ireo zato isan-jato ny seza valo ambin’ny folo etsy amin’ny lapan’Anosikely. Hinoana fa amin’ity fifidianana ity dia ireo avy amin’ny TGV no ankamaroan’ireo hatolotry ny « Alliance politique », ka ho lany Loholon’i Madagasikara satria hanova famindra amin’izay i Zandry kely. Rehefa tafapetraka amin’ny toerany ireo Loholona vaovao izay zato isan-jato TGV dia hanomboka hanala tsikelikely ireo olon’ny MMM sy ny Freedom i Zandry kely sy ny ekipany araka ny kajikajy politikan’ireo mpiara-dia akaiky amin’ny Filoha Rajoelina. Ary tsy ho tavela eo ihany koa ry Praiminisitra sy ny tanankavanany.

Raha ny zava-misy tato ho ato dia mizotra miandalana amin’izany ny fanapahankevitry ny Filoha tao anatin’izay fanovana amin’ny ampahany ny Mpikambana ao amin’ny governemanta izay. Natomboka tamin’ny fanalana ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha izay Solombavambahoaka MMM lany tany Bealanana. Izay adika ho toy ny fanalefahana ny tanjaky ny antoko ao anaty ny fitondrana. Teo ihany koa ny fampijabahana ny Minisitra mpitondra tenin’ny governemanta tamin’ny fanomezana fahalalahana azy amin’ny fandraisam-pitenena hisolo vava ny fitondram-panjakana, ka nisian’ireo teny nibolisatra sy fanevatevana olona ireny. Samy nahazo ny anjarany avokoa na ny olon-tsotra na ny mpikirakira « Facebook », hatramin’ny Minisitra toa azy. Manginy fotsiny ny vava ratsy mahazo ny mpanao gazety izay tsy mitovy fomba fijery aminy. Ny mahatsikaiky anefa dia toa mihevitra azy ho tsy refesimandidy ity Minisitra vavy ity, ka tafalatsaka tanteraka ao anaty velampandrika. Hinoana marimarina, raha tsy misy ny fiovan-javatra, fa tsy ho anisan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta intsony ireo Minisitra mianadahy ireo any amin’ny fiandohan’ny taona 2021 any, raha tsy hisy ny fiovan-javatra lehibe eto amin’ny firenena mialoha an’izay.