EDITO 26 Septambra – Manomboka feno antsoantso manerana ny firenena

Sôh’son

Tsy misy manahiran-tsaina ny mpandeha ao anaty fiara, na mampiferin’aina azy mihitsy aza, rehefa sendran’ny mpamily tsy mahita làlana tokony haleha kanefa sarotra atoro sy tsy mihaino. Tsy misy fifaliana, mazava loatra, mandritry ny dia atao.

Efa ho 21 volana izao no naha teo amin’ny fitondrana ny mpitondra ankehitriny. Mahatsapa ireo olom-pirenena saropiaro amin’ity tanindrazana iombonana ity, fa tsy mizotra amin’ny làla-mahitsy tokony hizorany ny firenena, ary dia manomboka miseho sy manao tohi-vakana ny antso sy fanambarana. Raha ny fahenoina ny antso dia olana maro no mianjady amin’ny vahoaka sy ny firenena amin’izao fotoana izao. Iaraha-mahita sy miaina rahateo izany.

Vao tsy ela izay no nanaovana lahatsoratra teto momba ny amin’ny fivilian-dàlana miàla amin’ny zotra mahomby hisandratana marina. Ny politika hanarenana ny toekarem-pirenena aza nampisalorana anarana “fitafian’olon-kafa” nampiasainy efa ho 70 taona lasa tany ivelany tany. Nidedahana ery ny nampiasa ny voambolana momba izany nefa ho an’ny mahalala mahamenatra ihany, fa mindrana ny an’olona. Tsy kolontsaina Malagasy marina mantsy izany. Nitsofana anjomara ny amin’ny fikasana haka na hanafatra kojakoja teknolojika avy any ivelany, ka harafitra eto Madagasikara dia ho lazaina fa mamokatra ny vokatra indostrialy toy ny firenena efa an-dalam-pisandratana ny firenena. Ny vokatra afaka hitovy amin’izany eto an-toerana tokony hifotorana hampiroboroboana anefa toa atao an-tsirambina sy iniana giazana aza. Hita amin’ny zoro iray fa ity fitondrana ity dia mailaka amin’ny fihazakazahana maka “zavatra” any ivelany kanefa tsy mifanaraka na tsy afaka hifanaraka velively mihitsy amin’ny zava-misy marina eto sy ny maha izy azy ny firenena. Santionany iray amin’izany ihany koa ny fananganana ny “colisée” eny amin’ny lapan’i Manjakamiadana. Niaraha-nandre ny antsoantso mafy fanoherana izany satria mahatsapa ny olom-pirenena manana adidy fa misy fivilian-dàlana lehibe amin’ny resaka kolontsaina sy soatoavina maha Malagasy izany.

Saika isan’andro ihany koa dia ahenoina antsoantson’ny mponina mahatsiaro ho voailika eto amin’ny firenena amin’ny fomba fiasa fizarana ny fanampiana ara-tsosialim-bahoaka. Ampahana vahoaka marobe anefa ireo miohatra amin’ireo nisitraka. Mazava loatra, fa hisy fiantraikany ratsy amin’ny firaisankinam-bahoaka eny anivon’ny fokontany izany hoan’ny mpahay sy mahalala ny toe-tsaina Malagasy. Fivilian-dalan’ny fiainam-piarahamonina izany.
Mbola eo ihany koa ny antsoantso ataon’ireo lasibatra tamin’ny raharaha politika teto nanomboka ny taona 2002 hatramin’ny 2011 ireny. Manomboka izao koa dia re fa hanamafy izany ireo gadra politika fa mahatsiaro ho tsy nohenoina.

Tsy tokony hitsahatra izany antso samihafa izany, ho fitsinjovana ny tombontsoa ambonin’ny firenena, ity firenena iombonana ity.