26 Septambra – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao.

Ny tenako mpanoratra dia avy aty Toliara. Misy fihenam-bidy amin’izao fotoana ny tambavy CVO, raha 1500 Ar ny vidiny teo aloha, misy amin’izao fotoana ny dokam-barotra amin’ny fihenam-bidin’izany tambavy izany ho 1000 Ar. Fanafody atao promotion mbola tsy nisy teto an-tany izany, mampihomehy mihitsy izao fitondrana Rajoelina izao.

Ny tetik’izy ireo, vidiny ireo dia halefa atao don any Afrika. Raha mahasitrana sy niaro marina ireo CVO dia ho tapitra ritra sy tsy naharaka ny commande… Indrisy mantsy, mibaribary izao fa toa tsy misy ilaina azy ilay tambavy. Tsy lany fa mitobaka fotsiny sy hanaovana fihenam-bidy amin’ny mpivarotra lehibe.

Natao paika(alibi) hanamarinana ny nandaniana ny volam-bahoaka efa ho 1 miliara de dolara izay trosabe lasa rano ity tambavy CVO ity. Lasa any am-paosin’ny filou sy ny clan mafieux manodidina azy fotsiny ny vola. Ny vahoaka malagasy marary sy mitsakôka mandry fotsy.

Mody notsipazana fotsim-bary kely etsy sy eroa dia variana ny sasany. Mila mifoha amin’izay ny rehetra fa fitapitahan’izao fitondrana izao fotsiny.

Haga Zafinike
Sanfily Toliara