Collectif des Parlementaires – Fanambarana – Panorama II – 25 Septambra

Lasa fomba fanao mahazatra ny mpitondra ankehitriny ny manosihosy ny Lalampanorenana. Miseho laniny ny fanamparam-pahefana satria ampiasainy amin’ny tombotsoany manokana ny lalàna velona.

Izahay antoko politika sy ireo olomboafidy nivory teto amin’ny Hotel Panorama androany zoma 25 septambra 2020, izay mahatsapa hatrany ny fahoriam-bahoaka dia manao izao fanambarana izao:

  • Hiroso amin’ny famakiana bantsilana an’ireo fanapahan-kevitra izay noraisin’ny HCC ka niteraka savorovoro sy korontana.
  • Hamoaka ampahibemaso ny fisian’ny ‘doublons’, fototry ny fahadisoan’ny fifidianana sy tsy fahaleovantenan’ny CENI.
  • Manameloka ny fampiasana ny ‘Etat d’urgence sanitaire’ izay natao fitaovana politika hanampenam-bava sy hanitsakitsahana ny demokrasia ary niteraka fahantrana lalina ho an’ny vahoaka.
  • Tsy handray anjara amin’ny fifidianana izay atao amboletra ny 21 desambra 2020 ho avy izao.

Ho famerenana ny tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana, dia vonona izahay hijoro ary tsy hijanona intsony raha tsy tanteraka ny hetahetan’ny Malagasy, mba ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena iray manontolo.

Masina ny tanindrazana.