Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina manohana ny antson’ny Collectif des Parlementaires – Fanambarana – Panorama II – 25 Septambra

Manoloana ny olana ara-piarahamonina sy ny fahasahiranan lalipaka mianjady amin’ny firenena. Eo ihany koa ny fanararaotana mihoa-pampana, ny fandikan-dalàna, ny fanitsakitsahana ny Lalampanorenana miverimberina, izay ataon’ny mpitondra ankehitriny tamin’ny fahefana nampindramin’ny vahoaka azy.

Rehefa nahare ny antso nataon’ny antoko politika sy ny vondrona parlementera izay nivory ny alakamisy 17 septambra 2020 tao amin’ny Hotel Panorama, rehefa nihaona sy nivory koa androany zoma 25 septambra 2020, izay nahitàna ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina monisipaly sy kaominaly miankina sy tsy miankina amin’ny antoko, dia manao izao fanambarana izao:

1. miombon-kevitra tanteraka tamin’ny fanambarana voalohany nataon’ny antoko politika sy vondrona parlementera izahay

2. miantso ireo olomboafidy rehetra lany tamin’ny antoko na ny tsy miankina hiara-dia aminay.

Masina ny Tanindrazana.