LaLana simba – Nanome lesona an’i Vazahabe ny kaomisaria analakely

Helisoa

Miteraka fitohanan’ny fiara lavareny ireo lalana feno lavadavaka eto Antananarivo Renivohitra. Manoloana izany, nandray ny andraikitra ireo polisy ao amin’ny kaomisaria Analakely, na tsy andraikiny aza ny manentsina ireo lavadavaka amin’ny lalana simba, mba hanalàna fahasahiranana ireo mpampiasa lalana eto Antananarivo Renivohitra, ka toerana maro no nanaovany izany ny andron’ny omaly.

Maha te-hidera ny ezaky ny polisy ao amin’ity kaomisaria ity, hany ka maro ireo mponina indrindra amin’ireo tambazotran-tserasera no nankasitraka azy ireo tamin’izany. Fa manontany tena kosa ny olompirenena hoe aiza ny ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra Naina Andriatsitohaina Vazahabe, no tsy manamboatra ireny lalana ireny? Ny fako aza moa mivangongo tsy misy ohatra izany manerana ny tanànan’Antananarivo nefa tsy hita izay fandraisan’andraikitra ataony, sa hiandrasana ny polisy indray ny fanesorana ireny fakobe ireny? Nilaza anefa ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, fa hanamboatra lalana izy ireo, natao laza masaka ery izany tamin’ny tambazotran-tserasera nefa aiza izany ankehitriny? Potika tanteraka ny lalana amin’izao, nefa ny fahavaratra efa ho avy.

Efa mitovy tadin-dokanga sy loko politika ny filohan’ny repoblika sy ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, nefa toa volan-kakafotra ihany, fa ny omaly tsy miova ihany no hita eto Antananarivo Renivohitra. Tamin’ny ben’ny Tanàna teo aloha Lalao Ravalomanana, tsy nisy fanampiana tamin’ny fitondràna foibe nefa nahita vahaolana ny mpitantana ny Tanàna tamin’izany nanadio ny Tanàna sy nanala ireo fako nivangongo. Fa ankehitriny, ny fakana hetra sy ny fanaovana antsojay amin’ireo olona tsy mitovy loko politika amin’ny ben’ny Tanàna Naina Andriantsitohaina toy ny orinasan’ny filoha Ravalomanana MBS , ALMA sns… no mahamaika azy.

Ankoatra izay, mandrodana ny trano fivarotana vitan’ny mpitondra teo aloha Neny Lalao Ravalomanana izay nandaniana vola be no laharam-pahamehan’ny ben’ny Tanàna Vazahabe, izay lazain’ity farany fa hoe tsy manaradalàna hono, nefa hevitra tapaky ny mpanolotsaina ny Tanàna no nanatanterahana azy ireny. Izao ka ny polisy mihintsy no manome lesona ity ben’ny Tanàna ity, mba hanotofany ny lavadavaka satria ireny no tena maha betsaka ny fitohanana eto Antananarivo Renivohitra.