Collectif des Parlementaires – Tsy namaly ny antso nataon’ny CENI

Isambilo

Namory ireo antoko politika, fiarahamonim-pirenena misehatra eo amin’ny resaka fifidianana omaly, ny CENI: na ny Vaomieram-Pirenena misahana ny Fifidianana teny amin’ny foiben-toerany eny Ivandry.

Ny antoko politika sasany, indrindra ireo milaza ho mpanohitra sy ny « Collectif des Parlementaires » dia tsy nanatrika izany fivoriana niantsoan’ny CENI teny Alarobia-Ivandry izany.

Nanao fanambarana ireo Antoko politika sy ny « Collectif des Parlementaires » nivory teny amin’ny Panorama ny alakamisy 17 septambra 2020 lasa teo, fa « tsy hanatrika ny fivoriana izay iantsoan’ny CENI ny alarobia 23 septambra 2020 ». Ny antony ambarany dia noho ny tsy faneken’izy ireo intsony ny Vaomieram-Pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny (CENI) amin’izao endriny izao.

Tokony ho ravana amin’izay ity rafitra mpanomana fifidianana ity hoy ny fanambarana, satria be loatra ny heloka vitany sy ny hadisoana nataony nandritra izay fifidianana nifanesy teto amintsika izay.