EDITO 19 Septambra – Fitondrana Rajoelina – Tsy fahaizana ny tsy fahatsinjovana ny vahoaka manontolo

Sôh’son

Misy fandrirarirana ataon’ny Fitondrana Rajoelina eto manoloana ny seho maro samihafa amin’ny fitarainana sy fitakiana ataon’ny ankolafin’olona isan-karazany. Olom-pirenena anefa ireo, ary samy manana ny maha-izy azy, kanefa toa inian’ny mpitondra atao ambany maso tsy hita fotsiny izao. Fa mpitondra inona ity nahazo seza eo amin’ny fitondrana ity? Niseho hamaly ny hetahetam-bahoaka izy rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Tsy izany loatra anefa no mitranga 20 volana na herintaona sy valo volana aty aoriana. Fotoana efa lava izany ary azo hitsarana tsara ny mpitondra. Tsy maintsy re isan’andro ny fitarainam-bahoaka. Izany hoe, tsy mahazo aina velively ity vahoaka Malagasy ity ao anatin’izao fitondrana izao.

Fitondrana tsy manome fahafaham-po ny vahoaka Malagasy nanaovany fampanantenana maro samihafa. Miharihary ny fanagejana sy famoretana manjo ny mponina eto an-drenivohitra amin’ny fanerena azy amin’ny fomba samihafa, mba hanatanterahana ny vetsovetsom-pon’ingahy Ben’ny tanàna. Rehefa tsy manaraka ny tiany atao ve izany dia tsy mendrika ny ho olom-banona ho mponin’Antananarivo renivohitra? Tena hadisoan-kevitra sy fomba fijery mirefarefa ary indrindra lany andro izany. Taraiky ara-pomba fijery sy firehan-kevitra ary indrindra fomba fiasa ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany raha izay no heveriny hizorana hitondra fanovàna. Ho diso fanantenana lahy i Iarivo.

Ny olona misababaka amin’ny maha izy azy, sady Malagasy no frantsay, tsy hahaova zavatra firy eto amin’ity renivohitra na firenena ity, fa vao mainka aza hamoritra ny mponina sy ny vahoaka entiny. Mazava loatra fa ny fisainana misababaka, anisany ireo olona niongom-paka ihany koa toa ireo olom-bitsy hafa midongy fahefana, dia tsy hahita lalan-kizorana mazava tena hamoahana ity firenena ity ao anaty lavaka mangitsongitsoky ny fahantrana lalina. Fandrebirebena vahoaka fotsiny ihany ny teny tsara lahatra atao amin’ny haino vaky jery isan-karazany hoe: hanasoa ity firenena ity, fa ny fanatanterahana asa mifanohitra amin’izany.

Efa toy ny vay an-kandrina, ka sady maharary no mahamenatra ny manjo ireo sokajin’olona, vahoaka Malagasy, tsy hamakian’ny fitondrana loha sy ny tomponandraikitra samihafa eto amin’ity firenena ity. Anisan’izany ireo mpiasa nakatona orinasa, ireo mpivarotra, ireo rehetra lasibatra vokatry ny krizy ara-pahasalamana tato anatin’ny enim-bolana izao. Ny fahafatesan’izy ireo tsy misy olana na kely aza ho an’ny fitondrana. Voaporofo mazava izany tsy firaharahiana izany. Fitondrana inona no ilazana azy raha misy ampaham-bahoaka tsy vitany ny mitsinjo sy manasoa azy? Tsy mendrika hitondra firenena izany raha misy tsinjovina ary misy hafa avela any, ka izay hahavoa azy any mahavoa azy. Tsy mendrika hitondra firenena raha tsy mijery afa-tsy izay hanatanterahana ny tanjona samihafa no ifotorana fatratra, fa izay olom-pirenena hafa voa mafy amin’ny fanatanterahana izany aleo ho voa any. Tsy izany no soatoavina eto amin’ity firenena ity. Ary ireo rehetra efa nitondra fanjakana tany aloha teto amin’ity Nosy ity tena tsy naniry velively ny hisiana mpitondra toy izany aty aorianany.