NY MPITONDRA NY TANÀNA

Maika ery ireo mpitondra ny hanasazy sy haka vola.
Tena tsisy afa-tsy izay no tetikadin-dry lesola!
Toa tsy mihevitra mihitsy ny mba hoe hanitsy aloha,
Fa dia ny hanasazy hatrany, izay no masaka ao an-doha!

Ny fampianarana vahoaka, fijoroana ho modely,
Dia tsy anaty tondrozotran izy ireny velively.
Toa ny mifanohitra aza no asehony eny an-kianja:
Izay raràn ny lalàna, miampy teny tsy voalanja!

Ireo mpitondra izay nodimbiasany no hazainy sy tebahiny,
Saingy ny azy toa tsy hitany iretsy mariboninahiny!
Zaoridira mivangongo, tsisy fiainana mirindra.
(Eran-tany dia ny eto no isan ny maloto indrindra!)

Toa tsy miomana ny handray izay tokony ho andraikiny izy,
Fa ireo vahoaka tsotra, miaina anatin ny kirizy,
Tsy mba manana tahiry, tsy mahita izay hohaniny,
Ireo indray no hakany vola sady mbola ilàny vaniny!

Izay mba endri-pampianarana ny fitiavan-tanindrazana,
Asa re raha mba ananany, fa hatreto dia tsy tazana!
Fampandoavana lamandy, resa-bola no hany fiainany.
Izay no manavanana azy sy ireo mpanolotsainany!

Izany ve no ho modely sy fitaratra hojerena,
Nefa izay rehetra ataony, mampisento, mahonena?
Inona no hijoroana nefa tena tsisy hafitsoka?
Sao hitondra anay vahoaka ho any an-davaka mangitsoka!

DADAN’i ZINA (14-09-20)