Rina Randriamasinoro – Demokrasia miaro ny mpitondra no misy eto

Rina Randriamasinoro, sekretera jeneralin’ny antoko TIM

Stefa

Ny talata 15 Septambra teo dia natokan’ny Firenena Mikambana (ONU) ho andro iraisam-pirenena ho an’ny Demokrasia. Niompana tamin’izany indrindra ny voalazan’i Rina Randriamasinoro, sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Ny olona tena mahay mitantana dia manana fahafahana mihaino ny rehetra hoy izy.

Amin’ny maha firenena repoblikanina sy demokratrika antsika koa dia tsy voatery hisy ny fitovian-kevitra, ka mila mahay mandanjalanja an’izany ny mpitantana firenena raha tena te-hampandroso. Demokrasia miaro ny mpitondra no misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao hoy Rina, ny dikany dia efa miha-miditra, na efa ao anatin’ny didy jadona mihitsy ny mpitondra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao hoy ity mpanao politika tanora ity.