EDITO 17 Septambra – Ireo voailika amin’izao fitondra Rajoelina izao

Sôh’son

Miharihary eo anivon’ny fiaraha-monina ankehitriny ny fisian’ireo sokajin’olona voailika amin’izao fitondrana Rajoelina izao. Voailika tsy ho isan’ireo misitraka ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana efa ho enim-bolana izao. Saika ny Malagasy rehetra no sahirana avokoa vokatr’izany ary misy amin’izy ireo aza tena sahirana mafy ara-pivelomana sy tena marefo tokoa. Tsikaritra, fa tsy miraika amin’izy ireo ny fitondrana ary tsy re mihitsy ny amin’izay vahaolana entina ho azy ireo hatreto. Na efa nanao fitarainana aza izy ireo, satria nasaina nanao izany araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, dia tsy hita izay valiny nahafapo.

Tsy eto an-drenivohitra sy ny manodidina ihany anefa no ahitana ireo voailika ireo fa manerana ny faritra eto amin’ny Nosy. Voakasik’izany: ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly, ireo mpivarotra, ny mpisera-dia, ireo mpiasa niasa tamin’ireo orinasa nakatona, sns… Maro ireo olom-pirenena any amin’ny faritra no manao antsoantso ny amin’ny anjarany amin’ny fanampiana, fa toa adino izy ireo, henonay foana hoy izy ireo amin’ny televiziona sy amin’ny radio fa mahazo tosika sosialim-bahoaka, ny atsy, na ny aroa, fa tsy mba tonga aty amin’ny faritra, tsy tonga aty ambanivolo izany tosika fanampiana izany.

Eo amin’ny sehatry ny fampianarana ihany koa, dia hita miavaka izay voailika izay. Tsy voatsinjo na tsy tsinjovina mihitsy ireo ray aman-dreny amin’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana ao anatin’izao fahasahiranana amin’ny fampidirana mpianatra sy ny kojakojam-pianarana, fa eo ireo. Niaka-bidy hatrany anefa ny vidin’ireny fitaovam-pianarana ireny, ary maro ireo sekoly na saika izy rehetra mihitsy no nampiakatra ny saram-pianarana. Tsy ao anaty kajin’ny fitondrana mihitsy ny vahaolana amin’izany. Iza anefa no hisaina ny momba azy ireo? Iaraha-mahalala fa miaina ao anaty fahasahiranana ny maro, izay tsy afa-miàla amin’ny krizy ara-pahasalamana sy krizy ara-tsosialy manjo ny firenena. Ny sekoly rehetra mazava loatra sy efa hita miharihary fa tsy mivaky loha ny amin’izany, fa ny azy ihany.

Eo amin’ny lafiny politika, dia iaraha-mahita ny fanilihana ny mpifanandrina politika amin’ny fitondrana sy tsy mitovy hevitra aminy, na ny antoko sy ny vondron’ny mpanohitra. Notsinontsinoavina izy ireo tamin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny demôkrasia ny talata 15 Septambra lasa teo ary toy ny tsy nisy ny kianjan’ny demôkrasia teny Ambohijatovo.

Hatrany am-piandohan’izao fitondrana izao no efa niseho ireo fanilikilihana sokajin’olona ary niha-niharihary izany niditra ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Misy araka izany eto omena vahana sy voatsinjo, fa misy atao anjorom-bala, ka tsy henoina sy tsy itadiavam-bahaolana maika mba hampirindra ny fiainam-piarahamonina.

Amin’izao fitondram-panjakana izao, faritra iray no tena misongadina ao anaty governemanta, ny faritra hafa dia misy tsy manana, nisy ny efa nahazo fa dia noesorina aza izy ireny. Mbola ao anatin’ny fanilikilihana ataon’izao fitondrana Rajoelina izao avokoa izany. Miha-mitombo ireo voailika ankehitriny, ireo no mety hampipoaka ny sarom-bilany tsy ho ela!