EDITO 10 Septambra – Fiainam-pirenena – Tsy ataon’ny mpitondra ny andrasan’ny vahoaka

Sôh’son

Saika matroka avokoa ny zoro rehetra izay topaza-maso amin’ny lafiny samihafa amin’ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao. Sarotra antenaina araka izany ny lalan-kizorana itondrana ny firenena amin’izao fotoana, satria tsy araka ny andrasan’ny vahoaka ny zava-misy sy ataon’ny mpitondra. Isan’andro tsy maintsy misy mponina mitaraina sy mitomany fa nailika amin’ny fanampiana fitsinjovana ara-tsosialy, ary misy hatrany ny tsy fahatomombanana amin’ny fizarana. Toe-javatra efa hatrany am-boalohany, ka mandraka ankehitriny io tsy mizotra amin’ny laoniny io. Tsikaritra fa tsy hahavaha ny olana sy hampirindra izany mba hilamina tanteraka ny fitondram-panjakana. Manao zavatra kanefa tsy mahafapo ny vahoaka.

Miha-sarotra isan’andro ny fiainam-bahoaka andavanandro. Midaroka ny isan-tokantrano sy isam-pianakaviana ireo olana maro amin’ny lafin-javatra ara-tsosialy : ny sakafo fototra sy zavatra ilaina isan’andro, ny fahasalamana, ny fianaran’ny ankizy ; ny tsy fandriampahalemana, ny fihariana sy fivelomana, sns… Tsy misy tokontaniny araka ny fitenenana ireo rehetra ireo ary tsy manana vahaolana mazava amin’izany ny fitondrana Rajoelina.

Misy hatrany mpiasa very asa na voatery hajanon’ny mpampiasa noho ny olana manjo ny orinasa. Iaraha-mahita tsara ny fanakatonana orinasa Malagasy amin’izao fotoana izao, ary norahonana mihitsy aza, fa tsy mba nitadiavan-kevitra ny fanohanana azy hatanjaka bebe kokoa. Mifanohitra tanteraka amin’ny fikasana hizotra mankany amin’ny làlan’ny fisandratana nohindrahindraina mafy anefa izany. Mitombo isa ireo mpiasa tsy an’asa na mihantona amin’ny asa ka manampy ireo efa tsy an’asa aman’hetsiny maro eto amin’ny firenena izany.

Nihena ny fisokafana orinasa tamin’ity taona ity, ny efa misy rahateo izao nakatona, hany ka misy fiantraikany lalina eo amin’ny lafiny ara-tsosialy izany fa tsy ara-toekarena fotsiny. Mazava loatra, fa ho osa ny taha-pitomboan’ny toekarem-pirenena, ary ho resabe fotsiny ihany ny tanjona, ka mba hapetraka ny taha 4 % mahery hotratrarina amin’ny taona ho avy. Raha tsy ohatra angaha, ka hampihàtra jadona sy amboletra be amin’ireo orinasa amin’ny fanerena handoa hetra no hataon’ny fitondrana, tahaka ny fikasan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra amin’ny mponina. Efa misy taratra kely hita amin’izany amin’izao fotoana izao, fa tsy mbola fantatra ho hatraiza ny hamafiny sy hiafaràny. Ho hita eo ihany ny amin’izany. Tsy maintsy misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka anefa izany.

Hatreto, ny vahoaka no mibaby ny tsy fahaiza-manaon’ny fitondrana. Raha fitondrana manana traikefa tokoa amin’ny fitantanam-pirenena, efa hita soritra na dia ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao aza, ny vokatra tsara nentiny, nefa voka-dratsy no hita ankehitriny. Tsy izany anefa no zava-misy fa miha-mafy sy miha-maizin-kitroka ny fiainan’ny sarambabem-bahoaka.