Tsizarizary ny fanomanana ny zaza sy ny tanora amin’ny ho aviny

Radafy

Hanomana tanora ho tonga inona eto amin’ny firenena ity fitondrana ity ? Fiteny mandrakariva ary hatramin’izay ny hoe “ Ny tanora no hoavin’ny firenena”. Nipoapoaka mihitsy ny teny fanentanana natao tamin’ny fitondran’ny Amiraly Didier Ratsiraka, ary lasa litania izany tamin’ny fotoan’andro nitondrany fa ny ankizy tamin’izany no tompon’ny taona 2000. Toa tsy izany loatra anefa ny zava-nitranga mandraka ankehitriny izay mbola misy dian-tanany ihany ao ambadiky ny fitondrana Rajoelina. Ito farany rahateo dia nilaza fa tsy tapaka ny miresaka aminy amin’ny resaka samihafa. Lasan-ko vavany fotsiny ny resabe natao izay nandrebirebena ny vahoaka Malagasy.

Ny fianarana no miantoka ny ho avin’ny zaza Malagasy. Tato anatin’ny roa taona nitondran-dRajoelina izao dia nisy fikorontanana hatrany ny fampianarana. Ny tamin’ny taon-dasa dia tena toy ny vay an-kandrina, ka sady maharary no mahamenatra. Teo amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea no nitrangan’izany izay nisiana fivoahan’ny laza adina mialoha ny fotoana ary niparitaka izaitsizy. Lasa nisy andiany na fanadinana faharoa tamin’iny taona iny. Niara-nahita ny fisehon’ny zava-nitranga tao anatin’izany ary mipetraka ho tantara ratsy eo amin’ny seha-pampianarana izany. Ny tena olana dia ny lentam-pahaizan’ireo mpianatra, na ireo afaka fanadinana voalohany na ireo faharoa. Tsy maintsy mbola miandry azy ireo ny sedra-panadinana sy ny lenta takiana amin’izany raha mbola handranto fianarana ambony. Mbola eo ihany koa ny lanjan’ny diplôman’izy ireo. Tsy maintsy hanohintohina na hanakorontana ny fiainan-koavin’ireny mpianatra ireny izany any aoriana.

Hanao ahaona anefa ny fari-pahambonian’ny toe-tsain’ireo heverina ho avin’ny firenena ireo any aoriana any? Tato anatin’ny folo taona no novolavolaina tamin’ny fomba fijery sy notezaina tamin’ny fomba maherihery setra zary nanamaivana ny soatoavina sy ny tena maha Malagasy izy ireo. Nanomboka tamin’ny taona 2008-2009 nikotrehana ny fanonganam-panjakana izany ary nitohy tao anatin’ny tetezamita naharitra dimy taona. Tsy vitavita ho azy amin’izao ny zava-nitranga natao sy naseho ho hitan’ireo zaza Malagasy tamin’ireny fotoana ireny. Ankehitriny, mbola eo ihany ilay fihetsika sahisahy minia mandingana soatoavina maha Malagasy sy ny fisehosehoana haka tahaka ny any ivelany, fa tsy mifototra amin’ny faka lalina niandohan’ity firenena ity. Ilay fitsinjovana sy fiezahana hanamafy orina ny fihavanana eo amin’ny samy Malagasy sy ny mpiray tanindrazana tsy hita soritra mazava, fa lasa resaka manidina fotsiny ihany. Izany ve no hitaizana ireto hoavin’ny firenena?

Amin’izao taom-pianarana tsy hita mazava fiafaràna izao, ka hirosoana eo ny fanadinana samihafa, dia mbola mitohy ny olana. Efa niaraha-nahita tsara iny ny fahatapatapahan’ny fampianarana tao anatin’ny enim-bolana nidirana tao amin’ny hamehana ara-pahasalamana. Tsy mbola tafavoaka ny alan’ny krizy ara-pahasalamana amin’ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina ny firenena. Hirosoana anefa ankehitriny ny fanadinana. Nambara ofisialy fa nofoanana ny taranjam-panadinana ara-panatanjahantena amin’ny fanadinana Bepc sy ny Bakalorea. Izany dia midika tsotra izao fa nohamaivanina ity taranja ity, miohatra amin’ny taranja hafa. Izany hoe, maivan-danja miohatra amin’ny taranja mampiasa saina ny taranja ara-panatanjahantena. Midika izany, fa ny ara-tsaina ihany aloha no nojerena, fa ny ara-batana afaka mijanona.

Ny fanabeazana ny zaza sy ny tanora Malagasy dia tsy mianona amin’ny ara-tsaina fotsiny ihany, fa eo koa ny ara-batana. Ny fanabeazana dia miompana amin’ny lafiny ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. Izay no maha olona ny olona. Raha misy mandringa ny fanabeazana an’ireo lafiny telo ireo, dia mandringa izay ny fanabeazana azy, ary sarotra ny hanantena hanana olom-banona any aoriana. Efa miezaka manao izany tokoa ireo sekolim-pinoana, izay manome lanja ireo lafiny telo ireo amin’ny ankapobeny mandritry ny taom-pianarana. Ny an’ny sekoly tsy miankina tsy ara-pinoana kosa dia mijanona amin’ireo roa ihany amin’ny ankapobeny, ary toy izay ny any amin’ny sekolim-panjakana. Azo saintsainina araka izany ny fanabeazana azon’ireo zaza Malagasy raha mivoaka ny sekoliny izy aorian’ny nahazoany ny diplôman’ny bakalorea. Izay azony avy amin’izany no mitondra azy eo amin’ny fiainany raha nijanona tamin’ny fianarana izy na manohy ny fandrantoana fianarana amin’ny sekoly ambony. Hanantena vokatra toy inona anefa ny firenena raha misy fahabangana ireo lafiny telo amin’ny fanabeazana ilaina ireo? Ny fitondrana ankehitriny dia tsy manana tondro mazava ny amin’ny tanjona tiana hotratrarina amin’izany. Tsy ao anatin’ny paik’ady nofaritany hatrany am-piandohana ny amin’izay làlana sy fomba azo antoka hananana tanora vanona tena hoavin’ny firenena tokoa any aoriana, ka hanandratra azy tsy ho mena-mitaha amin’ny hafa. Ny fomba fiasany ankehitriny dia azo itarafana izany tsara.