Raharaham-pirenena – Mamaky ady amin-dRavalo i Vazahabe sy Rajoelina

Ny filoha Marc Ravalomanana, mamiratra foana na haratsiana sy henjehina mafy aza.

Sôh’son

Manàla ny saron-tava niafenana ankehitriny Rajoelina sy i Naina Andriantsitiohaina, Vazahabe, Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Tsy mbola nialàn’izy ireo ny toetrany tamin’ny taona 2008-2009 ho amin’ny fanonganam-panjakana teto. Tsy olana ho azy ireo tamin’izany, izay hampikorosy fahana ny firenena sy hampahantra ny vahoaka malagasy, fa izay hidonany any hidonany. Natao izay hanapotehana hatramin’ny farany an’i Marc Ravalomanana, na samy mpandraharaha malagasy aza, ary tsy adino ny nataon’izy ireo teny Andrefan’Ambohijanahary Trois Frères tamin’ny fanangonana ireo porofo samihafa hanamelohana ity filoham-pirenena voafidim-bahoaka ity tany amin’ny taona 2009. Hipetraka ho tantara ireny ary mbola hotsinkafonin’ny mpikaroka any aoriana ny fomba ratsy nataon’izy ireo, fa tsy ho verivery fahatany. Mbola hitsara ny tantara, fa tsy hanadino akory.

Izao indray miverina ny tantara. Miendrika tamin’ny tetezamita ny fotoana ankehitriny, ka isehoan’izay fanenjehana azy izay. Mazava loatra, fa toe-tsaina tsy hampandroso lavitra ny firenena ny zava-misy amin’izao fotoana izao, indrindra eto amin’ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Olon’ny fitondrana Rajoelina no misahana aloha ny kaomina Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao, fa tsy olom-baovao akory. Olona niray petsapetsa taminy tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Tsy madio tànana araka izany io olona Ben’ny tanàna io na dia efa nosasàna lamba teny amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny aza. Noho ny fahantram-bahoaka no nahatonga azy eo amin’ny fitantanana ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo fa tsy ny fitiavam-bahoaka loatra. Tsy ho tafarina mihitsy izany n’inona n’inona ataony.

Amin’izao fotoana izao dia hanao izay hahavoafatotra sy hampahantra ity vahoaka Malagasy eto Antananarivo renivohitra ity ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Ny ady ataony sy ny Filoha Rajoelina amin’izany dia amin-dRavalomanana Marc, satria izy io no tsy hahafahana mangeja ny vahoaka Malagasy tsy hitraka sy hiseho maneran-tany, fa nofidian’Ilay Mpahary ho môdelin’izao tontolo izao. Aleon’ny Ben’ny tanàna sy ny fitondrana miaraka aminy hatrany hitoetra ao anaty haizina sy ny tsy fahalalana ity firenena Malagasy ity, ary tsy hisy hanafaka azy taorian’ny mpanjanatany frantsay. Mamaky ady araka izany izy ireo hahatongavana amin’izany lanitra mainty na maizin’i Gasikara izany. Ao anatin’izany ny fiketrehana ny higoka sy hangoron-karena eto amin’ity firenena ity, ho azy ireo samirery amin’ny fomba maro samihafa. Ny marina anefa tsy maintsy hiseho na ho ela na ho haingana.