Fitondrana Rajoelina – 1 miliara ariary lanilaniana amin’ny fivoriana fa tsy fanampiana

Rivo Rakotovao – Tsy dia mankasitraka ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Parlemanta

Isambilo

Tsy dia mankasitraka loatra ny anaovana fivoriana tsy ara-potoana eny anivon’ny Parlemanta amin’izao fotoana izao, ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao.

Miatrika fivoriana tsy ara-potoana tokoa nanomboka omaly ny Antenimierandoholona, sy ny Antenimierampirenena eto amintsika. Mahakasika izay anefa, nanambara ny filohan’ireo senateran’i Madagasikara, Rivo Rakotovao, fa vola tokony hanampiana ny sahirana dia laniana iantsoana fivoriana tsy ara-potoana toy izao. Mahatratra hatramin’ny 1 miliara Ar mahery mantsy ny vola lanian’ny fanjakana amin’izany araka ny fantatra hoy ny fanambarana, ka nahatonga ity farany hametra-panontaniana mihitsy hoe inona ilay maha-maika ny fanjakana, ka mandany vola be tahaka izao. Nahoana ihany koa no tsy natao tamin’ireo fivoriana ara-potoana teo aloha ny fandinihana ireo lalàna ireo.

Na izany na tsy izany, tanterahina amin’izao fotoana izay fivoriana tsy ara-potoana izay, etsy Anosikely ho an’ny Antenimierandoholona ary eny amin’ny CCI Ivato ho an’ny Antenimierampierena.