Fitondrana Rajoelina – Miketrika valifaty fa tsy mikatsaka fampandrosoana

Andry Tsiavalona

Raha olombelona nianatra sy nandranto fahalalana dia mahafantatra ny hevitry ny teny « politika ». Ny tena dikan’ny politika dia drafitra na programa entina mampandroso tanàna tany am-boalohany ary taty aoriana dia miitatra amin’ny fampandrosoana ny firenena eo amin’ny lafiny rehetra izany. Angamba diso mpaka tahaka amin’ny any ivelany loatra ny gasy, ka tsy mahay miaina sy mamelimaso ny sotoavina sy ny kolontsaina izay manamarika ny maha izy azy ny isam-paritra.

Amin’ny ankapobeny ny vahoaka tsy mandadiharona izay tsy miaina izany politika izany dia mandala ny firaisankina sy ny fihavanana ary miaina ao anaty fiarahamonina tsy misy romoromo. Ny olon-dratsy ihany no tia mamaly faty sy manao lolom-po ary ny Malagasy na tsy kristiana avokoa aza dia mahay ilay fitenenana hoe ”aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao atampon’ny loha”. Ka ny olona matahotra an’Andriamanitra dia tia fihavanana sy tia ny mpiarabelona aminy.

Maro no miteny fa manao politika, fa tsy manao politika politisiana, ao koa ny milaza fa teknisiana fa tsy mpanao politika. Raha ireo no dinihana lalindalina kokoa dia tsy lalantsaina malagasy izany ny “politika” fa avy any ivelany, ka sarotra ho an’ny mponina eto amin’ity Nosy ity no mampiasa na mampihàtra azy eo amin’ny fitantanana ny firenena. Hita taratra izany eo amin’ny fifandimbiasam-pahefana izay tsy hahitana taratra ny fitohizan’ny raharaham-panjakana (continuité de l’Etat). Raisina ohatra amin’izany ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo eo amin’ny fifanarahana natao tamin’ny « Easy Park » eo amin’ny fitantanana ireo fiantsonan’ny fiara manerana ny tanàna. Tany amin’ny fampielezankevitra ny ben’ny tanàna ankehitriny dia efa nilaza fa ho foanany izany fifanarahana izany. Tsy mazava moa hoe inona ny antony, ka dia notanterahany izany amin’izao fotoana izao. Mety ho fitsinjovana ireo tovolahy maro mpiambina ireny toerana ireny angamba izany satria very asa izy ireny tamin’izany ary ho fangalana ny fon’ireny zatovo ireny izany mba nifidianana azy. Ankoatr’izay dia eo koa ny raharaha MBS eny Anosipatrana. Tsy miraharaha izay voarakitry ny lalàna mihitsy ity ben’ny tanàna vaovao ity fa na inona na inona voasoratra ao amin’ny lalàna dia tsy miraharaha izany izy. Mbola manaporofo izany koa ny fandrodanana ireo trano fivarotana eny Soarano. Nisy fifanarahana mazava tsara tamin’ireo mpivarotra sy ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo kanefa dia tsy mandraharaha izany ity ben’ny tanàna ity. Toy ny tsy zanak’Antananarivo fa olona nampidirina eto anitsakitsaka ny lalàna. Tsy vitan’izany fa ny “pavillons” etsy amin’ny “esplanade” ihany koa dia nanome fepotoana handravana ireo izy noho ny tombontsoa iombonana, hono, hanaovana fiantsonana “manarapenitra”. Niaraha-nahita ny nahazo ireo mpivarotra teny Andravoahangy ary tamin’iny herinandro lasa iny dia nivondrona ireo mpivarotra rehetra voakasik’izao, ka manohitra ny setrasetra ataon’ny ben’ny tanàna. Tsy fantatra intsony na fifandrifin-javatra fa dia nanaovana antsojay koa ny tranom-barotra AAA-Magro ao Behoririka, ka nakatona. Ny tsara marihana fa tsy nisy nandalo teo amin’ny Filankevitry ny Tanàna ireo fanapahankevitry ireo, fa nosoniavin’ny ben’ny tanàna ihany.

Tsapa avy amin’ireo toe-draharaha ireo fa “politika” tokoa no ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao, miainga avy amin’ny filoha Rajoelina, ka hatraty amin’ny ben’ny tanàna Vazahabe, fa tsy fitandroana ny fihavanana malagasy sy fikatsahana marina fampandrosoana mirindra sy iaraha-mientana. Tsapa ihany koa fa manararaotra ny hamehana “ara-pahasalamana” satria amin’ny fotoan’ny hamehana (état d’urgence) dia afaka manao izay tiany ny manampahefana. Ny tsara marihana dia endrika valifaty amin’ny filoha Ravalomanana Marc avokoa ireo tranga ireo kanefa dia tsy maintsy ho izay foana izany no hitranga eto ary tsy hisy fampandrosoana vanona eto fa dia manao dingana iray ny teo aloha dia manao dia miverina in-droa ny eo am-perinasa.