Fitantanana an’Antananarivo – Toa tsy hain’ny ben’ny tanàna Vazahabe ny asany

Helisoa

Efa ho 8 volana izao no nandray ny asany ny ben’ny Tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), Naina Andriatsitohaina (Vazahabe). Nandritra izany dia nanao izay danin’ny kibony ity farany tamin’ny fanatanterahany ny asany. Tsy nisy ny fanohizana ny asa tsara nataon’ny teo aloha, fa dia fandravàna no masaka tao an-tsainy. Ny hita anefa na tsy nahazo fanampiana (subvention ) tamin’ny fanjakàna foibe aza ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana teo aloha dia tsy foana ny kitapom-bolan’ny kaominina, fa nisy ny vola novantanin’ny ben’ny Tanàna vaovao, Naina Andriatsitohaina, ahafahany manohy ny asany amin’izao. Ka na nisy aza ny fifamindram-pahefana tao anatin’ny firahalahiana tanteraka teo aloha teo amin’ny roa tonta dia tsy izay ny zava-misy ankehitriny, fa tadiavin’ny ben’ny Tanàna vaovao ravàna avokoa ny fanapahan-kevitra sy ny zava-bitan’ny mpitondra teo aloha, noho ny halako bika tsy tiako tarehy fotsiny.

Ankoatra izay, tsy miraharaha ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpanolotsaina ny Tanàna ny ben’ny tanàna Vazahabe: Naina Andriantsitohaina, fa dia izay heviny ihany no ampanjakàiny. Misy ny hevitra naroson’ ity farany ho lanian’ny mpanolotsaina resaka fandravàna tsena eto amin’ny tanànan’Antananarivo, izay nolavin’ireto farany fa dia narodany ihany ny tsena teo Soarano. Ny tsy fanatanterahana ny hevitry ny mpanolotsaina anefa dia mitarika amin’ny fanesorana ny ben’ny Tanàna amin’ny toerany. Manana mpiaro sy maro an’isa angamba Vazahabe matoa tsy matahotra, na tsy mifanaraka amin’ny lalàna aza ny zavatra ataony .

Izany no nahatonga ny mpanolotsaina TIM hangataka fanazavàna any amin’ny prefektora teny Tsimbazaza manoloana ny fanamparam-pahefàna ataon’ny ben’ny Tanàna Naina Andriatsitohaina ny alatsinainy teo. Vao omaly izao dia nazava ny resaka, fa hay ve omena ny orin’asa TOM ny tany eny Anosipatrana misy ny MBS araka ny taratasy fiantsoana ny mpanolotsaina hivory nanomboka omaly? Lazain’ny ben’ny Tanàna indray tao amin’ny tambazotran-tseraserany fa tsy tafiditra ao anaty lahadinika naroson’ny mpanatanteraka ho lanian’ny mpanolotsaina hono izany resaka TOM izany. Tsy azo raisina hoy izy ary tsy mitombina hono, ny fangatahan’ny orin’asa TOM satria tsy feno ireo fepetra teknika ary mbola tsy voahaja ny trosany amin’ny CUA.

Izany zavatra izany dia midika fialàna bala sy tsy fahaizana ny asa. Ny lahadinika ataon’ny mpanolotsaina dia tokony handalo eo ambany mason’ny ben’ny Tanàna avokoa satria ianao no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitantanana ny Tanàna; tsy azonao ahilika amin’ny olon-kafa izany, ka hoe ho jerena ny olona nanao an’io lahadinika io dia ho saziana. Toa tena tsy hain’i Naina Andriatsitohaina ny asany maha ben’ny Tanàna azy e! Koa na inona na inona fanazavàna dia tiany homena ny orinasa KARANA ny toerana misy ny MBS eny Anosipatrana. Mazava be io “FIANTSOANA FANAMPINY” nalefan’ny PCM: filohan’ny filankevitry ny tanàna io, ka eto indray ianao Ben’ny Tanàna no miseho mandà sy manadio tena.